Hijery ny anatiny

Lapan’ny Fitsarana, izay misy ny Fitsarana Avo sy Fitsarana Ambony any Angletera sy Pays de Galles

12 MEY 2020
ROYAUME-UNI

Niaro ny Zontsika Hifidy An’izay Ekentsika ho Mpikambana ao Amintsika i Angletera

Niaro ny Zontsika Hifidy An’izay Ekentsika ho Mpikambana ao Amintsika i Angletera

Namoaka didy ny Fitsarana Ambony tany Angletera sy Pays de Galles, tamin’ny 17 Martsa 2020, fa tsy mila ovana ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Avo (fitsarana ambaratonga voalohany). Manana zo hanaraka ny tari-dalan’ny Baiboly momba ny fandroahana, hono, ny Vavolombelon’i Jehovah.

Namoaka didy ny Fitsarana Avo fa zon’ny fiangonana iray ny mampandre hoe tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony ny olona iray. Ary tsy natao hanalana baraka an’ilay olona izany fampandrenesana izany. Izao no nolazain’i Richard Spearman, mpitsara ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, tamin’izy nilaza an’ilay didim-pitsarana: “Manana zo handroaka ny mpanota ny fivavahana iray miezaka mampihatra ny torolalan’ny Baiboly. Ara-dalàna izany, ary tena ilaina aza. Tsy mendrika ny ho mpikambana ao amin’izany fivavahana izany intsony ny olona tsy mahavita na tsy vonona hankatò ny torolalan’ny Baiboly. Tsy vitan’izay fa mety hitarika ny mpikambana hafa hanao ratsy izy raha tsy roahina.”

Nanao fangatahana tany amin’ny Fitsarana Ambony ilay olona voakasika, mba hofoanana ilay didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Nolavin’ny Fitsarana Ambony izany. “Tsy marim-pototra”, hono, ilay fangatahana. “Mety tsara”, hono, ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ary “tena tokony hanana zo handroaka mpikambana ny fivavahana iray.”

Niresaka momba an’ilay didim-pitsarana i Shane Brady, mpisolovavan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Io didim-pitsarana io dia mifanaraka amin’ny didim-pitsarana maro navoakan’ny fitsarana eto Angletera, Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, ary ny fitsarana ambony any Kanada sy any amin’ny firenena maromaro any Eoropa ary any Etazonia. Hita avy amin’ireny didim-pitsarana ireny fa zon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manapa-kevitra hoe iza no ekeny ho mpikambana ao aminy.”

Faly isika fa neken’ny Fitsarana hoe manana zo hanaraka an’izay lazain’ny Soratra Masina isika, mba hiarovana ny fiangonana tsy ho voataona hanao ratsy.​—1 Korintianina 5:11; 2 Jaona 9-11.