Hijery ny anatiny

27 JONA 2017
ROYAUME-UNI

Manampy ny Vavolombelona Rehefa May ny Tranobe Iray any Londres

Manampy ny Vavolombelona Rehefa May ny Tranobe Iray any Londres

Manampy an’ireo tratran’ny loza tamin’ny hain-trano mahatsiravina ny Vavolombelon’i Jehovah. Kilan’ny afo mantsy ny tranobe Grenfell, izay trano fonenana misy rihana 24, tamin’ny 14 Jona 2017 vao maraina be. Any amin’ny tanànan’i North Kensington, any Londres no misy an’io tranobe io. Milaza ny manam-pahefana fa olona 79, fara fahakeliny, no maty tamin’io loza io.

Nisy Vavolombelona efatra navoaka avy tao amin’io tranobe io, ka ny roa tamin’izy ireo no nipetraka tao. Soa ihany fa tsy nisy naratra izy ireo, na dia anisan’ny kilan’ny afo aza ny efitra nipetrahan’izy ireo. Namatsy sakafo sy akanjo ary vola ho an’ireo mpiara-manompo tra-boina ireo sy ny fianakaviany ny Vavolombelona mipetraka eo amin’ny manodidina. Mizara hevitra avy ao amin’ny Baiboly koa ireo Vavolombelona ireo mba hampaherezana an’ireo mpiara-monina tratran’ny loza ao amin’ny tanànan’i North Kensington.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1 845 524 3000

Royaume-Uni: Andrew Schofield, +44 20 8906 2211