Hijery ny anatiny

Ekipa mpandika teny ho amin’ny tenin’ny tanana any Rwanda, eo am-pakana video ao amin’ny birao iasany.

10 JANOARY 2019
RWANDA

Mandika Boky ho Amin’ny Tenin’ny Tanana any Rwanda Izao ny Sampana Any

Mandika Boky ho Amin’ny Tenin’ny Tanana any Rwanda Izao ny Sampana Any

Nisy zavatra niavaka nitranga tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rwanda, tamin’ny faran’ny Septambra 2018. Tamin’izay no natomboka ny fandikan-teny ho amin’ny tenin’ny tanana any Rwanda (RWS). Hanampy azy ireo hitory amin’ny olona mampiasa fiteny samihafa ao amin’ny faritaniny izany. Handray soa amin’ny boky amin’ny tenin’ny tanana ireo rahalahy sy anabavy marenina 113. Azo ampiasaina hitoriana amin’ireo marenina 30000 mahery koa izay boky voadika amin’ny tenin’ny tanana.

Efa voadikan’ny ekipa RWS ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao sy ilay video fohy hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? ary ny ankamaroan’ny taratasy mivalona anisan’ny Fitaovana Fampianarana. Hivoaka tsy ho ela ao amin’ny tranonkalantsika ofisialy izy ireo.

Dia an-tongotra dimy minitra avy eo amin’ny biraon’ny sampan’i Rwanda ao Kigali no misy ny birao iasan’ny ekipa RWS. Anabavy roa sy rahalahy roa no ao amin’ilay ekipa, ary marenina ny rahalahy iray. Mahay tenin’ny tanana tsara izy efatra ary samy efa nanatrika fiofanana naharitra iray volana. Io fiofanana io no manampy azy ireo hahay ny teknikan’ny fandikan-teny.

Biraon’ny fandikan-teny ho amin’ny tenin’ny tanana any Rwanda, tsy lavitra ny biraon’ny sampana.

Nanazava i Rwakibibi Jean Pierre, anisan’ny mpandika teny, hoe nahoana no tsy mitovy amin’ny mandika teny an-tsoratra ny mandika ho amin’ny tenin’ny tanana. Hoy izy: “Ny tanany sy ny tarehiny no ampiasain’ny marenina rehefa maneho hevitra izy. Rehefa mandika teny àry izahay dia soratra no avadika ho video ka teknika manokana no ampiasainay. Ataonay sary eo amin’ny tabilao ny hevitry ny lahatsoratra amin’ny teny anglisy, dia iny sary iny avy eo no iainganay rehefa mandika an’ilay hevitra ho amin’ny tenin’ny tanana izahay. Tianay ho azo antoka hoe marina sy mazava tsara ilay video, dia miantso Vavolombelon’i Jehovah marenina maromaro tsy mpandika teny izahay mba hijery an’ilay izy. Lazain’izy ireo aminay ny heviny ary manampy anay hanatsara an’ilay fandikan-teny izany.”

Atoa Augustin Munyangeyo, anisan’ny mpitantana ao amin’ny Fikambanan’ny Marenina any Rwanda.

Anisan’ny mpitantana ao amin’ny Fikambanan’ny Marenina any Rwanda, izay fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana, miady ho an’ny zon’ny marenina, Atoa Augustin Munyangeyo. Nidera ny asan’ny mpandika teny RWS izy ary niteny hoe: “Tena midera ny Vavolombelon’i Jehovah izahay satria mampianatra momba an’Andriamanitra izy ireo, dia mampiasa Baiboly sy video amin’ny tenin’ny tanana eto Rwanda.”

Mandika boky ho amin’ny tenin’ny tanana 90 mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah. Namoaka an’ilay programa tsy vidim-bola hoe JW Library Sign Language® koa izy ireo. Afaka mijery boky ara-baiboly amin’ny tenin’ny tanana 90 mahery ny olona mampiasa an’io programa io. Afaka mitory ny vaovao tsara “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” izao ny rahalahy sy anabavy eran-tany, noho ireo boky amin’ny tenin’ny tanana be dia be ireo.—Apokalypsy 14:6.