15 MEY 2023
RWANDA
Oram-be sy Tondra-drano Tany Amin’ny Faritra Andrefan’i Rwanda
Nisy oram-be tany amin’ny faritra andrefan’i Rwanda tamin’ny 2 Mey sy 3 Mey 2023, dia nisy tondra-drano sy tany nihotsaka. Olona 130 mahery no maty vokatr’izany, ary an’arivony no voatery niala tao an-tranony. Betsaka koa ny voly, trano, tetezana, ary lalana simba noho ilay tondra-drano sy tany nihotsaka.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra
Trano 51 no potika tanteraka
Trano 43 no simba be
Efitrano Fanjakana 2 no misy simba kely
Fanampiana tra-boina
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 3 no notendrena handamina ny fanampiana tra-boina sy hizara an’izay ilain’izy ireo
Mampahery an’ireo tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy
Mivavaka isika mba hampian’i Jehovah foana ireo rahalahy sy anabavintsika any Rwanda, amin’izao ry zareo miatrika “fotoan-tsarotra” izao.—Salamo 46:1.