Hijery ny anatiny

2 JOLAY 2015
RWANDA

Manameloka ny Fanavakavahana Fivavahana ny Fitsarana any Rwanda

Manameloka ny Fanavakavahana Fivavahana ny Fitsarana any Rwanda

Manana zo hanaraka ny fivavahana tiany ireo mpianatra valo izay Vavolombelon’i Jehovah. Izany no didy navoakan’ny fitsarana tany Karongi, any amin’ny Faritra Andrefan’i Rwanda. Niakatra fitsarana izy ireo satria tsy nanaiky handray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana tany am-pianarana, noho ny feon’ny fieritreretany.

Sekolim-pinoana ny ankamaroan’ny sekoly any Rwanda. Tsy maintsy manatrika fotoam-pivavahana sy mandoa adidy amin’ny fiangonana ny mpianatra, any amin’ny sekoly sasany. Tsy nety nanao an’izany anefa ny mpianatra Vavolombelon’i Jehovah, ka 160 tamin’izy ireo no voaroaka tany am-pianarana, teo anelanelan’ny 2008 sy 2014. Mbola mitohy io olana io, eran’i Rwanda. Hita avy amin’ilay didim-pitsarana tany Karongi anefa hoe azo resena ihany ny fanavakavahana fivavahana.

Fanavakavahana fivavahana no mahatonga an’ilay fandroahana

Vavolombelona valo, 13 ka hatramin’ny 20 taona, a no noroahin’ny Sekoly Musango tao Karongi, tamin’ny 12 Mey 2014. Tsy nety nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana mantsy izy ireo. Nanao tatitra tany amin’ny tompon’andraikitra ambony momba ny fampianarana any Rwankuba ny ray aman-drenin’ireo mpianatra ireo, ary nahazo rariny. Nasaina naverina nianatra indray izy ireo. Tsy nahafa-po an’ireo tompon’andraikitry ny sekoly izany didy izany, ka novany indray ny tetikadiny. Nolazainy fa tsy nanaja ny hiram-pirenena ireo mpianatra ireo satria tsy nety nihira azy io. Tonga naka azy ireo ny polisy roa andro monja taorian’ny niverenan’izy ireo nianatra, izany hoe ny 4 Jona 2014.

Notazonin’ny polisy nandritra ny enina andro ireo mpianatra ireo, ary norahonany sy nompany. Nokapohiny ny roa zokiny indrindra satria, hono, mitaona an’ireo ankizy hafa hanaraka ny heviny. Tsy nisy nanaiky hiala tamin’ny zavatra inoany anefa izy valo mianadahy, na dia teo aza izany fampijaliana izany.

Nafahan’ny fitsarana madiodio ireo mpianatra

Navotsotry ny polisy ny fito tamin’izy ireo ny 9 Jona 2014, ary nafahan’ny mpampanoa lalàna madiodio ny zandriny indrindra. Mbola notazonin’ny polisy nandritra ny sivy andro anefa ny zokiny indrindra. Nasain’ny mpitsara nafahana vonjimaika anefa izy, mandra-pahatongan’ny fitsarana ny 14 Oktobra 2014.

Nandritra an’ilay fitsarana dia nofotoran’ny mpitsara ny tsirairay tamin’ireo ankizy. Nisolo tena ny hafa ny iray tamin’izy ireo ka nanazava tamin’ilay mpitsara fa tsy ilay hoe tsy nanao hiram-pirenena no tena nandroahana azy ireo fa ilay hoe tsy nandoa adidy tamin’ny fiangonana sady tsy nanatrika fotoam-pivavahana tany am-pianarana.

Nasain’ny mpitsara nanome porofo fanampiny ilay mpampanoa lalàna, mba hanohanana an’ilay fiampangana hoe “tsy nanaja ny hiram-pirenena” ireo ankizy ireo. Rehefa nofotopotoran’ilay mpampanoa lalàna izy ireo, dia nilaza fa tsy nanazimbazimba ny hiram-pirenena mihitsy rehefa nihira an’izany ny hafa.

Namoaka didim-pitsarana ny Fitsarana Mpanelanelana tao Karongi, tamin’ny 28 Novambra 2014, ka nilaza fa “tsy tokony hoheverina ho tsy manaja na manazimbazimba” ny hiram-pirenena ny olona iray raha tsy manao hiram-pirenena. Nanohana an’ilay didy ny fitsarana, ka nanafaka madiodio an’ireo mpianatra ireo. Mety hanafoana ny fanavakavahana fivavahana any Rwanda izany.

Fangatahana mba hanajana ny zo fototra

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah any Rwanda, satria nandray soa ireo mpianatra tao amin’ny Sekoly Musango. Tsy afa-manoatra anefa ny ankizy Vavolombelona sasany, fa tsy maintsy mifindra sekoly rehefa voaroaka noho ny zavatra inoany. Misy indray tsy afaka mianatra, satria lafo be ny saram-pianarana any amin’ny sekoly hafa tsy miankina amin’ny fanjakana, ka tsy takatry ny ray aman-dreniny.

Mitovy amin’ny ray aman-dreny rehetra ihany ny Vavolombelona manan-janaka. Tiany hanana ny fahaizana ilaina eo amin’ny fiainana ny zanany, mba hahasoa ny fiaraha-monina. Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah fa hahatonga ny sekoly any Rwanda hanaja ny zon’ny ankizy hanaraka ny feon’ny fieritreretany sy ny fivavahany iny didim-pitsarana tany Karongi iny.

a Rehefa feno 21 taona ny olona vao lazaina hoe ampy taona, any Rwanda (Andininy faha-360 amin’ny Fehezan-dalàna Sivily).