Hijery ny anatiny

Nahazo bulletin ihany ireto mpianatra Vavolombelon’i Jehovah tsy nety nandoa adidy tamin’ny fiangonana ireto

9 JONA 2016
RWANDA

Manohitra ny Fanavakavahana Fivavahana any An-tsekoly i Rwanda

Manohitra ny Fanavakavahana Fivavahana any An-tsekoly i Rwanda

Te hanafoana ny fanavakavahana fivavahana any an-tsekoly ny fitondrana any Rwanda, ka namoaka didy mba hahatonga ny olona hanaja ny zavatra inoan’ny mpianatra. Mahafaly ny mpianatra maro izany satria tsy mandray anjara amin’ny zavatra sasany atao any an-tsekoly izy ireo noho ny feon’ny fieritreretany.

Vatsin’ny fanjakana ny ankamaroan’ny sekoly any Rwanda fa fikambanana ara-pivavahana no miandraikitra azy. Natao ho an’ny besinimaro ireny sekoly ireny, ka avy amin’ny fivavahana samihafa ny mpianatra. Terena hanao fombafomba ara-pivavahana anefa ny ankizy any amin’ny sekoly sasany, na terena hanao zavatra mampiseho fitiavan-tanindrazana, na handoa adidy amin’ny fiangonana. Raha tsy mety manao an’ireo ny ankizy iray noho ny zavatra inoany dia voasazy. Nilaza ny minisitry ny fampianarana ambaratonga voalohany sy faharoa hoe toy izao ny toe-tsain’ny tompon’andraikitry ny sekoly sasany: “Tsy mahazo manao zavatra mifanaraka amin’ny fivavahany ny mpianatray raha mifanohitra amin’ny finoanay ilay izy.”

Didy nanamafy ny fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana

Niditra an-tsehatra ny manam-pahefana ka namoaka didim-panjakana mirakitra lalàna vaovao. Natao hanafoanana ny fanavakavahana fivavahana any an-tsekoly ilay izy. Nilaza ny Andininy faha-12 amin’ny Didim-panjakana laharana faha-290/03, navoaka tao amin’ny Official Gazette tamin’ny 14 Desambra 2015, fa tokony hohajain’ny sekoly tsirairay ny fahalalahana ara-pivavahan’ny mpianatra. Tokony havela hanaraka ny fivavahany mifanaraka amin’izay zavatra inoany koa izy raha ekena ara-dalàna ny fiangonany na ny fivavahany, ary tsy manelingelina ny fianarana sy ny fampianarana ao an-tsekoly ilay zavatra ataony.

Tokony hanaja ny fahalalahana ara-pivavahan’ny mpianatra ny sekoly tsirairay.—Didy laharana faha-290/03, Andininy faha-12

Manamafy ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Ambony any Karongi izany. Raharaha mahakasika Vavolombelon’i Jehovah mbola mpianatra ilay izy. Noroahina avy tany an-tsekoly izy ireo tamin’ny Mey 2014. Tsy nanaiky mantsy ny tompon’andraikitra tao amin’ilay sekoly rehefa tsy nety nandray anjara tamin’ny fombafomba ara-pivavahana nataon’ilay sekoly izy ireo. Nilaza ilay fitsarana fa tsy nisy fahadisoan’ireo mpianatra ireo ka afaka niverina nianatra izy ireo.

Tsy nomen’ny talen’ny sekoly iray any amin’ny Faritanin’i Ngororero ny bulletin an’ny mpianatra 30 satria tsy nandoa adidy ho an’ny fiangonana (tsy saram-pianarana) izy ireo. Nandefa fitarainana tany amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fampianarana tao amin’ilay faritany ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Nanaiky ihany ilay tale avy eo ary nanome ny bulletin an’ireo mpianatra tamin’ny faran’ny taom-pianarana.

Faly ny mpianatra Vavolombelon’i Jehovah

Vavolombelon’i Jehovah i Chantal Uwimbabazi ary nianatra tao amin’ny sekoly iray any amin’ny Faritanin’i Ngororero. Voaroaka tao izy satria tsy nety nanatrika lamesa nalamin’ilay sekoly. Niaritra ny esoeso nataon’ny mpiara-mianatra taminy sy ny olon-kafa izy ary tsy afaka nianatra nandritra ny herintaona. Nianatra tao amin’ny sekoly iray hafa izy taorian’izay. Lavitry ny trano misy azy anefa ilay izy sady lafo kokoa ny saram-pianarana. Tsy mora amin’ny reniny ny mandoa an’ilay izy satria kely ny karamany. Faly erỳ anefa i Chantal rehefa nahafantatra an’ilay fitsipika vaovao. Hoy izy: “Tsy izaho irery no manana olana hoatr’izao fa mpianatra maro any amin’ny sekolim-pinoana hafa koa. Tena ho faly izao ireny ankizy ireny satria ho afaka hianatra tsara sady hohajaina ny zony.”

Mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenan’i Rwanda ilay fitsipika vaovao, ka manaja ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny zo hianatra. Manantena ireo mpianatra Vavolombelon’i Jehovah sy ny ray aman-dreniny fa hitsahatra amin’izay ny fanavakavahana ara-pivavahana. Ankasitrahan’izy ireo ny ezaka ataon’ny fanjakana mba hiarovana ny fahalalahana ara-pivavahan’ny mpianatra any an-tsekoly.