Hijery ny anatiny

Tsy maty tamin’ilay fandripahana foko ny Rahalahy Charles Rutaganira satria tia azy ny Vavolombelona namany ka vonona hamoy ny ainy mba hikarakarana sy hiarovana azy

1 AOGOSITRA 2019
RWANDA

Fahatsiarovana An’ilay Fandripahana Foko Tany Rwanda Tamin’ny 25 Taona Lasa

Fahatsiarovana An’ilay Fandripahana Foko Tany Rwanda Tamin’ny 25 Taona Lasa

Ilay famonoana ny Tutsi tany Rwanda tamin’ny 1994 no anisan’ny fandripahana foko haingana indrindra sy nampihoron-koditra indrindra. Tombanan’ny Firenena Mikambana ho 800000 ka hatramin’ny 1000000 ny isan’ny olona novonoina tao anatin’ny 100 andro. Tutsi ny ankamaroan’ireo novonoina nefa novonoina koa izay Hutu tsy nanohana an’ilay famonoana. Atahorana ho faty daholo àry ireo Vavolombelon’i Jehovah 2500 tany Rwanda.

Rahalahy sy anabavy 400 teo ho eo no maty tamin’ilay fandripahana foko tany Rwanda, ary Tutsi ny ankamaroany. Nisy Vavolombelon’i Jehovah hutu maty koa anefa satria tsy nanaiky hanisy ratsy olona izy ireo ary tsy vitany ny hamela ny mpiara-manompo aminy hovonoin’olona.

Tutsi ny Rahalahy Charles Rutaganira, ary tsy maty tamin’ilay fandripahana foko tamin’ny 1994 izy. Tsaroany tsara hoe alahady maraina tamin’izay, ary azony antoka hoe hovonoina izy. Tsy maty anefa izy noho ny fitiavana feno fahafoizan-tenan’ireo mpiara-mivavaka aminy.

Taitra be izy rehefa nisy olona 30 teo ho eo nirohotra nankao an-tranony mba hamono azy. Izao no tantarainy: “Olona nifampiarahaba tamiko isan’andro tao an-tanàna ny ankamaroany.” Hitany anefa hoe niova be izy ireo tamin’io maraina io. Hoy izy: “Mena maso be ry zareo sady vonona hamono, hoatran’ireny biby maika hihinana ny rembiny ireny.”

Novelezin’izy ireo tamin’ny antsibe sy lefona ary kibay feno fantsika ny Rahalahy Rutaganira satria fotsiny hoe Tutsi izy. Notaritarihin’izy ireo teny amin’ny arabe izy ary navelany ho faty teo. Zara raha nahatsiaro tena izy ary nandeha ra be. Nisy olona maromaro nitondra lapelina, avy eo, saika haka azy mba halevina. Fantatry ny iray tamin’izy ireo anefa fa Kristianina tia fihavanana ny Rahalahy Rutaganira ka hoy izy: “Fa maninona koa no novonoin-dry zareo io Vavolombelon’i Jehovah io?” Tsy nisy namaly anefa. Tamin’izay mihitsy no nanomboka avy be ny orana ka niala teo izy ireo.

Tsy lavitra teo no nipetraka ny rahalahy hutu atao hoe Samuel Rwamakuba. Henony izay nitranga tamin’ny Rahalahy Rutaganira ary nirahiny haka azy ny zanany lahy, tao anatin’ilay oram-be. Be herim-po koa ny rahalahy hutu roa rehefa nandeha nanatitra fanafody sy zavatra hamehezana ny feriny. Nampidi-doza mantsy ny nandehandeha teny amin’ny arabe. Niverina nitady ny Rahalahy Rutaganira ny olona namono azy. Rehefa hitan’izy ireo hoe Hutu no nampiantrano azy, dia nampitahorin’izy ireo ny iray trano hoe: “Hiverina eto izahay rahampitso maraina dia hovonoinay daholo ianareo.”

Fantatry ny rahalahy sy anabavy hutu rehetra fa mety ho faty izy ireo raha manampy Tutsi. Hoy ny Rahalahy Rutaganira: “Raha misy olona tokony hovonoina nefa mamonjy azy ianao, dia miaraka vonoin-dry zareo ianareo.”

Azon’ny Rahalahy Rwamakuba natao tsara ny nandositra. Hutu mantsy izy dia afaka mandalo barazy soa aman-tsara, na dia ambenan’ny miaramila mitam-basy andro aman’alina aza ireny barazy ireny. Tsy nety nandao an’ilay rahalahy tutsi maratra anefa izy. Hoy izy: “Tsy handao anao mihitsy aho fa any amin’izay hahafatesanao no hahafatesako.”

Tonga ny miaramila, ny ampitso vao maraina be, ary nandositra ireo mpamono olona.

Nandeha nijery ny mpiara-mivory taminy ny Rahalahy Rutaganira rehefa sitrana. Maro tamin’izy ireo no nalahelo be satria novonoina tsy amin’antony ny havany. Ao koa ny nitondra takaitra sy ketraka mafy satria nampijalina na novetavetaina. Hoy ny Rahalahy Rutaganira: “Tena nangidy ny fiainanay tao anatin’ireo volana vitsivitsy taorian’ilay fandripahana foko.” Nifankatia anefa ny Vavolombelon’i Jehovah hutu sy tutsi sady nahatakatra an’izay nanjo ny namany ka nifanampy mba tsy halahelo be intsony. Hoy ihany ny Rahalahy Rutaganira: “Niezaka mafy izy ireo mba tsy hihatsaravelatsihy sy tsy hanavakavaka.”

Fampirantiana tao amin’ny Foibem-pirenena ho An’ny Zo Sivily sy Zon’olombelona tany Atlanta, Géorgie, tamin’ny Aprily 2019, ahitana ny tantaran’ny rahalahy sy anabavy maty tamin’ilay fandripahana foko tany Rwanda, sy ny tantaran’ireo tsy maty tamin’izay

Niverina nivory sy nitory ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Rwanda na dia mbola kivy aza. Be dia be ny olona hitan’izy ireo hoe tena mila fampiononana sy fanantenana. Nalahelo be ny olona sasany satria novonoina tamin-kabibiana ny havany. Ny hafa indray nahavanon-doza ka lasa enjehin’ny eritreriny. Betsaka no nahatsapa hoe namadika azy ny mpiray tanàna taminy, ny mpitondra azy, ary indrindra fa ny fivavahany. (Jereo ilay efajoro hoe “ Tompon’andraikitra Tamin’ilay Fandripahana Foko Tany Rwanda ny Fivavahana.”)

Hitan’ny olona any Rwanda kosa hoe miavaka ny vahoakan’i Jehovah satria tia fihavanana. Nisy fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah nanafina mpampianatra iray niaraka tamin’ny zanany enina. Tutsi io ramatoa io ary Katolika. Tsy mifankahafantatra akory izy sy ilay fianakaviana Vavolombelona nanafina azy. Hoy ilay ramatoa: “Tena manaja ny Vavolombelon’i Jehovah aho. ... Fantatry ny ankamaroan’ny olona hoe tsy nandray anjara tamin’iny fandripahana foko iny ry zareo.”

Be dia be ny olona tonga any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ilay fandripahana foko. Nitarika fampianarana Baiboly telo teo ho eo ny mpitory tsirairay, tamin’izany. Nitombo 60 isan-jato ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rwanda, tamin’ny taom-panompoana 1996. Tena tian’ny olona mantsy ny hafatra momba ilay Fanjakana satria mampionona azy.

Feno 25 taona amin’ity taona ity ny nitrangan’iny fandripahana foko iny. Be dia be no misaintsaina ny lasa, indrindra fa ireo tsy maty tamin’iny. Mbola resy lahatra foana ny Rahalahy Rutaganira sy ny olon-kafa nanatri-maso an’ireny famonoana ireny hoe mbola mahery lavitra noho ny fankahalana foko ny fitiavana toy ny an’i Kristy. Hoy ny Rahalahy Rutaganira: “Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy hoe tokony ho tia ny namany mihoatra noho ny tenany izy ireo. Mbola velona aho hatramin’izao, satria tena mifankatia hoatr’izany ny vahoakan’i Jehovah.”—Jaona 15:13.