23 MARTSA 2022
SALVADAORO
Feno 50 Taona ny Nanekena ny Vavolombelon’i Jehovah any Salvadaoro ho Ara-dalàna
Feno 50 taona tamin’ny Martsa 2022 ny nanekena ny Vavolombelon’i Jehovah any Salvadaoro ho ara-dalàna. Rehefa neken’ny fanjakana ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’io firenena io tamin’ny 27 Martsa 1972, dia nitombo haingana be ny isan’ny mpitory. Nisy mpitory 2 524 tany tamin’ny 1972 ary lasa 5 632 tamin’ny 1976. Efa 38 000 mahery ny mpitory any amin’izao, ary 662 ny fiangonana.
Tamin’ny 1945 no tonga tany Salvadaoro ny misionera ary niasa mafy ry zareo nanao ny asa fitoriana. Tsy nanahirana ny nahazo fahazoan-dalana hipetraka tany tamin’izany. Lasa nisy fiangonana maromaro àry tany, dia lasa nisy biraon’ny sampana tamin’ny Mey 1946.
Nisy lalàna vaovao nivoaka momba ny fifindra-monina anefa tamin’ny 1968, dia lasa dimy taona ihany, fara fahelany, no nahafahan’ny misionera nipetraka tany Salvadaoro. Hitan’ireo rahalahy nitarika ny asa hoe mety tsy handroso tsara ny asa fitoriana raha tsy eo ny misionera, dia nanao izay azo atao ry zareo mba heken’ny fanjakana ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any.
Nantsoina hivory tao amin’ny biraon’ny sampana sy hiaraka hidinika momba an’izany ny anti-panahy 30 teo ho eo avy tany Salvadaoro, tamin’ny faramparan’ny 1971. Nandritra an’ilay fivoriana, dia nangataka ny kara-panondron’ireo rahalahy rehetra ireo ny Rahalahy Baltasar Perla, Sr., izay lasa anisan’ny Komitin’ny Sampana tatỳ aoriana. Nilaza izy avy eo hoe hisy taratasy halefa any amin’ny fanjakana mba hangatahana hoe hekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, ary hosoratana ao ny anaran’ireo anti-panahy rehetra ireo sy ny adiresin-dry zareo.
Izao no nolazain’ny Rahalahy Juan Antonio Flores, izay anisan’ny anti-panahy nanatrika an’ilay fivoriana: “Nohazavain’ny Rahalahy Perla, Sr. taminay hoe raha sanatria mandrara ny asantsika ny manam-pahefana, dia izahay no hosamborina sy hogadraina voalohany satria ny anaranay sy ny adiresinay no tao amin’ilay taratasy.” Nilaza koa ny Rahalahy Perla, Sr. hoe raha misy matahotra ireo rahalahy teo, dia azo averina aminy ny kara-panondrony. Tsy nisy nangataka ny kara-panondrony anefa ny anti-panahy nanatrika teo. Soa ihany koa fa tsy nanohitra ny asantsika mihitsy ny fanjakana, dia tsy nisy mpiara-manompo nampidirina am-ponja.
Nahomby ny nataon’ireo rahalahy satria nekena ho ara-dalàna ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny taona nanaraka. Lasa afaka mipetraka any Salvadaoro mandritra ny fotoana maharitra indray ny misionera taorian’izay. Tsy vitan’izany fa lasa tsotra kokoa tamin’ny sampana ny nanafatra boky sy gazety, ary tsy nanahirana ny nanazava tamin’ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra tany amin’ny sekoly hoe tsy manao politika isika.
Nivoaka tao amin’ny gazetim-panjakana any Salvadaoro tamin’ny 26 Aprily 1972 fa “ny hampita an’izay voalazan’ny Baiboly sy hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra” no tena tanjon’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, “amin’izay fantatry ny olona ny anaran’Andriamanitra sy ny hafatra tiany hampitaina ary hoe i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, no manana fahefana fara tampony.”
Efa taona maro izay no lasa hatramin’ny nivoahan’io fanazavana tao amin’ny gazetim-panjakana io, fa mbola mitory momba an’i Jehovah foana ny Vavolombelon’i Jehovah any Salvadaoro hatramin’izao.—Isaia 25:9.