31 JANOARY 2023
SÉNÉGAL
Be Mpitsidika ny Tranoheva JW.ORG Tamin’ny Foara Iraisam-pirenena Tany Sénégal
Sambany ny Vavolombelon’i Jehovah no nandray anjara tamin’ny Foara Iraisam-pirenen’i Dakar (FIDAK), any Sénégal, tamin’ny 15 Desambra ka hatramin’ny 31 Desambra 2022. Feno 30 taona tamin’io ny nanaovana an’ilay foara, izay atao isan-taona. Misy fampirantiana asa tanana ao amin’izy io, dia misy fampahafantarana asa isan-karazany hanampiana ny besinimaro, ary fampirantiana hafa mifandray amin’ny kolontsaina. Olona ana hetsiny avy any amin’ny firenena samy hafa ao Afrika sy maneran-tany no tonga mijery an’ilay izy.
Nanangana tranoheva tao amin’ilay foara ny rahalahy sy anabavintsika, dia nasehon-dry zareo tao ny zavatra sasany hita ao amin’ny jw.org sy ny boky sy gazety mifandray amin’ny fianakaviana. Nampiseho ny sasany amin’ireo video mifampitohy navoakantsika koa ry zareo, anisan’izany ilay hoe Ataovy Namanao i Jehovah sy ilay hoe Kisarisary ary ilay fanadinadinana tanora hoe Ny Hevitry ny Tanora toa Anao.
Maromaro ihany ny mpitsidika mbola tsy nahalala ny tranonkalantsika, dia tao amin’ilay tranoheva ry zareo no nanandrana nijery azy io tamin’ny telefaoniny. Betsaka no gaga hoe hay misy fanazavana amin’ny fiteny 1 000 mahery ao amin’ny jw.org, anisan’izany ny fiteny wolof. Maherin’ny 3 000 ny tontalin’ny boky sy gazety nozaraina tamin’ireo mpitsidika nangataka an’izany.
Izao no nolazain’ny olona iray tonga nitsidika an’ilay tranoheva: “Tao amin’ny tranohevanareo izahay no nijanona ela indrindra, rehefa nitsidika an’ilay foara.” Nisy koa niteny hoe: “Raha nisy loka nomena ny tompon’ny tranoheva tsara indrindra, dia ianareo no ho nahazo an’ilay izy!”
Anisan’ny nanampy tamin’ny fikarakarana an’ilay tranoheva ny Rahalahy Martin Laud. Hoy izy: “Faly be aho hoe afaka nandray mpitsidika be dia be avy amin’ny firenena samy hafa. Betsaka no nisaotra antsika noho isika mamoaka fanazavana ara-baiboly tena manampy ny olona sady maimaim-poana.”
Faly isika hoe nisy vokany tsara ny fandraisantsika anjara tamin’iny hetsika iny. Manampy ny olona mba hahazo ny “fahendrena” avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra foana ny vahoakan’i Jehovah, ary fomba iray anaovany an’izany ny fampirantiana hoatr’ireny.—Ohabolana 3:21, 22.