Hijery ny anatiny

Sary kely ankavia: Anabavy iray miresaka amin’ny mpitsidika an’ilay tranohevantsika. Afovoany: Foibe fampirantiana any Belgrade, izay nanaovana an’ilay Foara Iraisam-Pirenena Momba ny Boky any Belgrade

13 DESAMBRA 2023
SERBIA

Afaka Nianatra Momba ny Baiboly ny Olona tao Amin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky any Belgrade, na Firy Taona Izy na Firy Taona

Afaka Nianatra Momba ny Baiboly ny Olona tao Amin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky any Belgrade, na Firy Taona Izy na Firy Taona

Natao ny 21 hatramin’ny 29 Oktobra 2023 ny andiany faha-66 tamin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky any Belgrade. Tany Belgrade, any Serbia, ilay izy no natao. Olona maherin’ny 190 000 no nanatrika azy io. Nampiasa tranoheva anankiray ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampahafantarana ny olona hoe tena mahasoa ny Tenin’Andriamanitra. Zato mahery ny rahalahy sy anabavy nifandimby teo amin’ilay tranoheva. Nasehon-dry zareo tamin’ny olona nandalo teo hoe ahoana no atao raha te hahita ny valiny omen’ny Baiboly amin’ny fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana.

Nisy vehivavy iray nanatona an’ilay tranoheva, dia nilaza tamin’ny anabavintsika izy hoe manana fanontaniana be dia be momba ny Baiboly. Tena faly be izy hoe nahita olona afaka manampy azy hahita ny valin’ny fanontaniany ihany. Nandamina fotoana arỳ ry zareo mba hanohizana an’ilay resadresaka.

Nahazo an’ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? ny tovolahy iray. Nilaza izy fa na dia mino an’Andriamanitra aza, hono, izy, dia hitany hoe sarotra inoana ny zavatra resahin’ny Baiboly momba ny famoronana. Nanontany tena, ohatra, izy raha mampianatra ny Baiboly hoe tao anatin’ny enin’andro ara-bakiteny no namoronan’Andriamanitra an’izao rehetra izao. Faly be izy fa nisy lahatsoratra nasehon’ireo Vavolombelona azy tao amin’ny jw.org, dia io fanontaniany io mihitsy no valiana ao amin’ilay izy.

Nahaliana ny tovovavy roa ny boky Manontany ny Tanora​—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany sy Faharoa. Faly be ry zareo nahalala hoe miresaka hevitra tena lehibe ilay boky. Anisan’izany, ohatra, ny hoe ahoana no ahitana tena namana, inona no atao raha te hahomby any am-pianarana, ahoana no hahalalana raha tena tianao ny olona iray na tsia. Nilaza ny iray tamin’ireo tovovavy ireo hoe: “Tsara be kosa ireto boky ireto. Tena hovakinay ireto!”

Misaotra betsaka an’ireo rahalahy sy anabavy any Belgrade ireo isika tamin’ny asa mafy nataon-dry zareo tao amin’ilay foara momba ny boky. Enga anie i Jehovah hitahy an-dry zareo noho ny ezaka be nataony ‘hiresahana tamin’ny hafa ny momba ny anarany.’​—Hebreo 13:15.