Hijery ny anatiny

3 JOLAY 2024
SERBIA

Vokatra Miavaka Tamin’ny Ezaka Manokana Hitoriana any Amin’ny Toerana Mitokana any Serbia

Vokatra Miavaka Tamin’ny Ezaka Manokana Hitoriana any Amin’ny Toerana Mitokana any Serbia

Rahalahy sy anabavy 600 mahery avy any Serbia sy Monténégro no nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana hitoriana any amin’ny toerana mitokana any Serbia, tamin’ny 17 ka hatramin’ny 26 Mey 2024. Io no fitoriana mivantana voalohany nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Serbia tato anatin’ny 20 taona mahery. Tombanana ho 1,5 tapitrisa mahery ny olona mipetraka any amin’ireo faritra mitokana any Serbia, izany hoe efa ho ny ampahefatry ny mponina any, ka sarotra amin’ireo rahalahintsika ny mitsidika azy ireo matetika. Tena niavaka io ezaka manokana io satria nisy olona 1 800 mahery nangataka hianatra Baiboly.

Tian’ny vehivavy iray ao amin’ny tanànan’i Beli Potok ny resadresaka nifanaovany tamin’ireo mpitory, dia nitelefaonina ny mpiray tanàna aminy sasany izy sady niteny hoe: “Misy olona ho avy any, dia hiresaka aminareo momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Henoy tsara ry zareo a!” Nisy vehivavy hafa indray, mipetraka ao amin’ny trano farany amin’ilay tanàna, efa niandry an’ireo Vavolombelona. Nasainy ho ao an-tranony ry zareo, dia nilazany hoe izy, hono, taloha efa nanatrika ny Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy. Nanaiky hianatra Baiboly ilay vehivavy.

Anabavy roa miresaka amin’ny vehivavy zokiolona iray, ao amin’ny tanànan’i Trgovište

Mbola teo am-panaovana fampirantiana tao amin’ny tanànan’i Smederevska Palanka ny mpitory roa, no nanantona ny lehilahy iray atao hoe Radomir. Nilaza izy hoe tena mahafaly be azy ny mahita olona mino an’Andriamanitra tonga ao amin’ny tanànany. Avy eo izy nanontany momba an’ilay fanasana hianatra Baiboly maimaim-poana teo amin’ilay fampirantiana. Faly erỳ i Radomir sady nanaiky hianatra, rehefa avy nanazava taminy ireo rahalahy hoe hoatran’ny ahoana izany mianatra Baiboly izany.

Tena nahafaly an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Serbia, sy ireo olona mangetaheta ny fahamarinana any iny ezaka manokana iny.​—Jaona 7:37.