Hijery ny anatiny

Afo nandravarava ny tanànan’i Ñipas, ao amin’ny Faritr’i Ñuble, any Silia

17 FEBROARY 2023
SILIA

Afo Nandravarava Tany Amin’ny Faritra Afovoan’i Silia

Afo Nandravarava Tany Amin’ny Faritra Afovoan’i Silia

Indroa izao no nisy afo nandravarava tany Silia, tato anatin’ny folo taona latsaka. Toerana 300 mahery no hitan’ny manam-pahefana hoe nisy afo tao amin’io tany io, nanomboka tamin’ny voalohandohan’ny volana Febroary 2023. Efa ho ny ampahadimin’izany afo izany no mbola tsy maty hatramin’izao. Tany 430 000 hektara mahery no ravan’ny afo tany amin’ny faritra afovoan’i Araucanía sy Biobío ary Ñuble. Hita tamin’ny tatitra fa ampahany lehibe amin’ny foto-drafitrasa ao amin’io firenena io no simba, anisan’izany ny lalana sy ny hopitaly. Olona 6 000, fara fahakeliny, no tra-boina ary trano 1 500 mahery no rava. Olona 25 aloha izao no fantatra hoe maty.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Io no sisa niangana tamin’ny tranon’ny anabavy iray tao Tomé, ao amin’ny Faritr’i Biobío

    Tsy nisy rahalahy na anabavy namoy ny ainy

  • Mpitory 222 no tsy maintsy nafindra toerana, ary 76 no mbola tsy afaka miverina mody

  • Trano 18 no rava

  • Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba

Fanampiana tra-boina

  • Mampahery an’ireo tra-boina ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra ny faritra

  • Natsangana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mba handamina ny fanampiana

Afaka matoky ireo rahalahy sy anabavy fa eo akaikin’izy ireo i Jehovah amin’ny fotoan-tsarotra hoatr’izao. “Mampionona antsika amin’ny fahoriana rehetra mahazo antsika” mantsy izy.​—2 Korintianina 1:4.