13 FEBROARY 2024
SILIA
Afo Nandravarava Tany Silia
Nisy afo mahery be roa nirehitra tany amin’ny faritra amoron-tsirak’i Valparaiso, any Silia, tamin’ny 2 Febroary 2024. Nifofofofo be mantsy ny rivotra tamin’io sady niakatra be ny hafanana. Trano 15 000 mahery no kilan’ny afo tao amin’ny tanàna be mponin’i Viña del Mar sy ny manodidina. Tombanana ho 40 000 eo ho eo ny isan’ny tra-boina tamin’io loza io. Betsaka amin’ireo no mbola tsy manana jiro sy rano hatreto. Mbola sarotra amin’ny mpamonjy voina koa ny mankany amin’ny faritra sasany tratran’ilay loza. Araka ny tatitra voaray, dia olona an-jatony no maratra ary 130 mahery no maty.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mampalahelo fa anabavy 1 no maty
Rahalahy 1 no naratra mafy
Rahalahy sy anabavy 24 no naratra kely
Rahalahy sy anabavy 715 no nafindra toerana
Trano 72 no rava
Trano 2 no simba be
Trano 1 no misy simba kely
Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba
Rahalahy sy anabavy 4 700 eo ho eo no mipetraka ao amin’ilay faritra tratran’ny loza
Fanampiana tra-boina
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray no notendrena mba handamina ny fanampiana tra-boina
Nisy solontena avy any amin’ny biraon’ny sampan’i Silia nalefa tany amin’ilay faritra mba hampahery an’ireo rahalahy sy anabavy. Manome fanampiana sy fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy
Matoky isika fa hitan’i Jehovah “ny zava-tsarotra sy ny fahoriana” mahazo an’ireo rehetra tratran’iny loza iny, ary kely sisa dia hofoanany tanteraka ny hetraketraky ny natiora.—Salamo 10:14.