26 DESAMBRA 2023
SILIA
Nitory ny Vaovao Tsara ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra ny Jeux Panaméricains 2023 Tany Silia
Natao tany amin’ny tanàna samihafa tany Silia ny Jeux panaméricains 2023, nanomboka tamin’ny 20 Oktobra ka hatramin’ny 5 Novambra 2023. Misy spaoro isan-karazany atao amin’io lalao iraisam-pirenena io, dia atleta 6 900 mahery avy amin’ny firenena 46 no nandray anjara tamin’ilay izy. Nanao ezaka manokana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana nandritra an’ilay lalao. Efa ho 1 500 ny Vavolombelon’i Jehovah nandray anjara tamin’ilay izy. Nampiasa fampirantiana misy kodiarana nisy boky sy gazety amin’ny teny anglisy sy espaniola ary portogey ry zareo tamin’izany. Afaka nitory tamin’ny atleta sy tamin’olon-kafa tonga nijery an’ilay lalao ny rahalahintsika nandritra an’ilay ezaka manokana.
Nisy atleta malaza iray, ohatra, nanatona fampirantiana anankiray, dia nanazava izy hoe efa niara-nivory tamin’ny mamany, hono, izy tamin’izy mbola kely. Nitantara izy hoe tsy tena sambatra araka ny nieritreretany azy, hono, izy, na dia lasa nanam-bola be aza amin’ilay izy manao spaoro. Namaky andinin-teny mampahery avy ao amin’ny Baiboly ho an’ilay lehilahy ireo Vavolombelona tafaresaka taminy, dia tena nisaotra an-dry zareo izy.
Nisy polisy iray koa nanatona fampirantiana anankiray. Efa nivory koa izy tamin’izy mbola tanora. Niteny tamin’ny mpitory teo amin’ilay fampirantiana izy hoe nampahatsiahy azy ny fotoana nahafinaritra niainany tamin’izy mbola nivory, hono, ny nahita an-dry zareo. Niteny tamin’ilay lehilahy ilay rahalahy teo hoe misy fivoriana any amin’ny toerana misy azy, dia noteneniny azy hoe isaky ny inona ny fivoriana any. Nahazo Baiboly sy bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! koa ilay polisy, dia tena faly be. Niteny izy hoe tena faly, hono, izy tafaresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah indray.
Nisy vehivavy 19 taona indray niteny tamin’ny anabavy teo amin’ny fampirantiana anankiray hoe vao haingana, hono, izy no nivavaka hoe mba hisy hanampy azy hahazo kokoa an’izay resahin’ny Baiboly. Faly be izy rehefa niteny taminy ilay anabavintsika hoe afaka mampianatra azy Baiboly. Tamin’io andro io ihany dia efa nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ilay anabavy ilay vehivavy, dia mbola mianatra tsy tapaka foana izy hatramin’izao.
Tena mankasitraka an’ireo rahalahy sy anabavy nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana tany Silia isika. Niezaka be ry zareo, dia tena tsara ny vokany sady manaporofo hoe mbola mitahy an’izay mitady azy foana i Jehovah.—Isaia 55:6.