Hijery ny anatiny

Tondra-drano tany Doñihue (ankavia) sy Linares (ankavanana), any Silia

6 JOLAY 2023
SILIA

Olona An’aliny no Tratran’ny Tondra-drano Tany Silia

Olona An’aliny no Tratran’ny Tondra-drano Tany Silia

Nisy rivo-doza nahery vaika be tany amin’ny faritra atsimo sy afovoan’i Silia, nanomboka tamin’ny 22 ka hatramin’ny 25 Jona 2023 lasa teo. Maherin’ny 58 santimetatra ny hatevin’ny orana tamin’ilay izy. Lasa nisy tondra-drano tany amin’ny faritra tratran’ilay rivo-doza. Olona 20 000 eo ho eo no nipetraka tany amin’ireo faritra niharam-boina ireo, dia trano 5 000 mahery no simba na rava tanteraka. Mbola misy olona an’arivony afindra toerana any izao. Olona roa no fantatra hoe maty vokatr’ilay loza, dia misy olona roa hafa mbola karohina.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy ny mpiara-manompo naratra na maty

  • Mpitory 212 no nafindra toerana

  • Trano 13 no simba be

  • Trano 38 no nisy simba kely

  • Tsy nisy ny Efitrano Fanjakana na tranon’ny fandaminana simba

Fanampiana tra-boina

  • Mpiasa an-tsitrapo an-jatony no manampy amin’ny fanadiovana sy fanamboarana ny trano simba

  • Mampahery ny tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy, sady manampy an-dry zareo

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 2 no notendrena mba hiandraikitra ny fanampiana tra-boina

Mivavaka isika mba homen’i Jehovah fampiononana sy hery foana ny rahalahy sy anabavintsika any Silia, amin’izao voina mahazo an-dry zareo izao.​—2 Tesalonianina 2:16, 17.