Hijery ny anatiny

12 SEPTAMBRA 2023
SILIA

Tondra-drano Be Nandravarava Tany Amin’ny Faritra Atsimon’i Silia

Tondra-drano Be Nandravarava Tany Amin’ny Faritra Atsimon’i Silia

Nisy rivo-doza nahery vaika sy tondra-drano be tany amin’ny faritra atsimon’i Silia tamin’ny 19 ka hatramin’ny 23 Aogositra 2023. Tena mafy tamin’ny rahalahy sy anabavy maro ilay tondra-drano satria vao tamin’ny Jona 2023 no tratran’ny tondra-drano be tany amin’io faritra io. Tamin’io fotoana io no be rotsakorana indrindra tany amin’io faritra io tato anatin’ny folo taona mahery, raha ny tatitra voaray. Lasa be orana sy be tondra-drano amin’izao any satria miakatra ny mari-panan’ny Oseana Pasifika. Eo koa ilay toetrandro antsoina hoe El Niño. Efa ho trano 25 000 no simba na rava, ary olona telo, fara fahakeliny, no maty.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Nisy simban’ny tondra-drano ny tranon’ny rahalahy iray nanaovana fivoriana

    Tsy nisy rahalahy na anabavy maty na naratra

  • Mpitory 225 no nifindra toerana

  • Trano 13 no tena simba be

  • Trano 38 no nisy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 3 sy tranona rahalahy iray fanaovana fivoriana no nisy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Nanampy sy nanome fampaherezana ara-baiboly tany amin’ilay toerana tratran’ilay loza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 2 no niandraikitra an’ireo fanampiana

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy tratran’ilay tondra-drano tany Silia isika. Efa tsy andrintsika koa ny fotoana hitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra ka tsy hisy intsony ny loza hoatr’ireny.​—Isaia 32:18.