Hijery ny anatiny

2 MEY 2014
SILIA

Afo Nandravarava Tany Valparaiso, any Silia

Afo Nandravarava Tany Valparaiso, any Silia

PUENTE ALTO, any Silia—Nandravarava an’i Valparaiso, tanàna misy seranan-tsambo any Silia, ny afo tamin’ny 13 Aprily 2014. Vao mainka nampirehitra an’ilay izy ny rivotra be mitsoka any Pasifika. Olona 15, fara fahakeliny, no maty ary 500 no naratra. Trano 2900 eo ho eo no rava tanteraka, ary olona 10000 mahery no voatery nafindra toerana.

Milaza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Silia fa anisan’ireo maty ny lehilahy Vavolombelona iray efa zokiolona. Vavolombelona 89 eo ho eo koa no namoy ny tranony. Maro amin’ireo nafindra toerana no mipetraka any amin’ny Vavolombelona namany. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky avy hatrany ny biraon’ny sampana mba hanampiana an’ireo tra-boina. Misy ekipa voalamina ahitana mpiasa an-tsitrapo maro koa efa manomboka manadio. Hanomboka hanorina indray an’ireo trano may 28 eo ho eo an’ny Vavolombelona izy ireo raha vao afaka manao izany.

Hoy i Jason D. Reed, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Silia: “Malahelo izahay mandre ny fahorian’ny mpiara-monina aminay noho iny afo iny. Malahelo koa izahay noho ny nahafatesan’ny mpiara-manompo aminay, ary mivavaka ho an’ireo namoy havana sy namana izahay. Hanohy hanampy an’ireo tra-boina foana izahay sady hanome izay zavatra hafa ilainy mba hahafahany hiatrika ny vokatr’iny loza iny.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Silia: Jason D. Reed, tel. +56 2 2428 2600