Hijery ny anatiny

15 MEY 2015
SILIA

Mandamina Fanampiana ho An’ireo Tra-boina Noho ny Tondra-drano any Silia ny Vavolombelon’i Jehovah

Mandamina Fanampiana ho An’ireo Tra-boina Noho ny Tondra-drano any Silia ny Vavolombelon’i Jehovah

Efitrano Fanjakana any Copiapó izay feno rano sy fotaka.

SANTIAGO, any Silia—Avy be ny orana tany Atacama, any amin’ny faritra avaratr’i Silia, tamin’ny 25 Martsa 2015, ka nisy tany nihotsaka sy ranotrambo, izany hoe tondra-drano tampoka sy vetivety. Mbola tsy nisy toa an’io tao amin’ilay faritra nandritra ny 80 taona. Maherin’ny 30000 no niharan-doza, ka efa ho ny 3000 tamin’izy ireo no nafindra tamin’ny trano vonjy maika, ary 25, fara fahakeliny, no efa fantatra hoe maty.

Tsy nisy Vavolombelona maty na naratra mafy, araka ny tatitra nataon’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Silia. Amin’ireo tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa, dia fito no rava ary am-polony no nisy simba. Amin’ireo Efitrano Fanjakana kosa, izany hoe ny toeram-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia iray no rava tanteraka ary roa no nisy simba.

Toerana simba ao Diego de Almagro, tanàna voa mafy tamin’ilay tondra-drano.

Tany Copiapó, anisan’ny tanàna voa mafy tamin’ilay tondra-drano, no nananganan’ny Vavolombelon’i Jehovah komitin’ny vonjy rano vaky, mba hanangona vaovao sy hikarakara ny fanadiovana. Tonga tany amin’ny faritra tratran’ilay tondra-drano koa ny solontenan’ny biraon’ny sampana, mba hanohana sy hampahery an’ireo Vavolombelona amin’ny alalan’ny Baiboly. Nandefa fanampiana avy hatrany ireo Vavolombelona tany Antofagasta, Arica, Calama, Caldera, Iquique, ary La Serena mba hahafahan’ireo mpiray finoana aminy hahazo izay ilainy.

Vavolombelona manangona fanampiana ao amin’ny Efitrano Fanjakana any Alto Hospicio, mba haterina any amin’ireo faritra niharan-doza.

Hoy i Jason Reed, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Silia: “Malahelo an’ireo niharan’iny loza iny izahay. Mbola vonona hanohy ny fanadiovana sy ny fanamboarana ny simba ny komitin’ny vonjy rano vaky. Miezaka koa izahay mba hampionona sy hampahery ny olona tratran’iny tondra-drano iny.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Silia: Jason Reed, tel. +56 2 2428 2600