Hijery ny anatiny

14 AOGOSITRA 2019
SLOVAKIA

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Voalohany Amin’ny Fiteny Rômania (Slovakia Atsinanana)

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Voalohany Amin’ny Fiteny Rômania (Slovakia Atsinanana)

Ny iray amin’ireo 19 natao batisa

Tamin’ny 20 sy 21 Jolay 2019 no nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany amin’ny fiteny rômania tany Slovakia, tao amin’ny Winter Stadium, any Michalovce. Nisy 1276 ny tampon’isan’ny mpanatrika tamin’io fivoriambe nohafohezina io, ary 19 no natao batisa.

Rahalahy sy anabavy avy any amin’ny firenena efatra no nanatrika tao: Belzika, Grande-Bretagne, Repoblika Tseky, ary Ukraine. Afaka nijery an’ilay filma hoe Ny Tantaran’i Josia: Tiavo i Jehovah ary Ankahalao ny Ratsy, tamin’ny fiteniny ny mpanatrika, ary anisan’ny nisongadina tamin’ilay fivoriambe izany.

Tamin’ny Novambra 2014 no nanomboka nisy fiangonana miteny rômania tany Slovakia. Dimy taona taorian’izay io fivoriambe voalohany io. Misy fiangonana 9 miteny rômania izao ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampan’i Slovaquie-Tchéquie, 10 ny antoko-mpitory, ary 14 ny antoko-mpitory santatra.

Hoy i Peter Tirpak, mpitantana ny Winter Stadium: “Nahafinaritra be ny niara-niasa taminareo Vavolombelon’i Jehovah. Mitana ny teninareo foana ianareo. Tongava indray amin’ny manaraka!”

Hoy i Peter Varga, mpiandraikitra ny fandaharana: “Mbola tsy nanatrika fivoriambe hoatran’iny aho. Tena miavaka iny fivoriambe iny ary tsy ho hadinon’ny rahalahy sy anabavy miteny rômania mihitsy. Nifamihina izy ireo taorian’ny hira famaranana, na dia mbola tsy nifankahalala mihitsy aza talohan’izay. Be dia be no latsa-dranomaso.”

Miara-paly amin’ireo mpitory 1010 miteny rômania any Slovakia ireo isika. Ireny fivoriambe ireny no tena hahitana hoe mifankatia tokoa ny vahoakan’i Jehovah.—Jaona 13:34, 35.