Hijery ny anatiny

2 JONA 2023
SLOVAKIA

Navoaka Tamin’ny Fiteny Rômania (Slovakia Atsinanana) ny Bokin’i Matio

Navoaka Tamin’ny Fiteny Rômania (Slovakia Atsinanana) ny Bokin’i Matio

Navoakan’ny Rahalahy Jaroslav Sekela, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Slovaquie-Tchéquie, tamin’ny 27 Mey 2023 Ny Baiboly: Ny Bokin’i Matio amin’ny fiteny rômania (Slovakia Atsinanana). Tamin’ilay fivoriana manokana natao tao amin’ny ny tanànan’i Michalovce, any amin’ny faritra atsinanan’i Slovakia ilay izy no navoaka. Samy nahazo vita pirinty tamin’izy io ny mpanatrika rehetra. Navoaka tamin’ny endrika elektronika koa ilay izy.

Any Košice, any Slovakia no misy ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana ho an’ny fiteny rômania (Slovakia Atsinanana)

Misy ifandraisany ny fiteny rômania sy ny fiteny bengali sy hindi ary pendjabi. Betsaka amin’ny teny rômania no nalaina avy amin’ny fiteny ampiasaina ao amin’ny toerana ipetrahan’ny rômania. Lasa be dia be àry ny teny tsy mitovy ampiasaina amin’ny fiteny rômania any amin’ny faritra atsinanan’i Slovakia. Noho izany, dia nitandrina tsara ny ekipa mpandika Baiboly tamin’ny nandika an’io Baiboly io.

Efa misy ny Baiboly amin’ny fiteny rômania (Slovakia Atsinanana), saingy nesorina tao amin’ilay izy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, fa nosoloana hoe o Raj sy o Del, izay midika hoe “Tompo” sy “Andriamanitra.” Be dia be amin’ny andininy ao amin’io Baiboly io koa no nolazaina tamin’ny fomba hafa, ka lasa sarotra amin’ny mpamaky ny mahazo ny tena heviny. Ilay bokin’i Matio vao navoaka kosa anefa misy ny anaran’i Jehovah sady nampiasana fiteny mora azo.

Hoy ny mpandika teny iray niasa tamin’io tetikasa io: “Tena zava-dehibe ny hoe adika amin’ny fomba marina tsara ny hafatra tian’Andriamanitra ampitaina, rehefa mandika Baiboly. Amin’izay mantsy ny olona ho lasa mahafantatra azy sy ho tia azy.”

Hoy koa ny mpandika teny iray: “Matetika ny rômania no avakavahan’ny olona, ka tena mampahery ny Matio 10:31. Resahina ao mantsy hoe hitan’i Jehovah na ny fody aza, nefa ireny zara raha nisy vidiny tamin’ny olona, tamin’ny andron’ny Baiboly. Sarobidy lavitra noho ny fody be dia be anefa isika amin’i Jehovah.”

Matoky isika hoe hanampy ny olona hianatra momba an’i Jehovah io fandikan-teny io, sady hanampy azy hahita hoe be fitiavana sy mikarakara antsika izy.​—1 Petera 5:7.