Hijery ny anatiny

Tranobe misy ny Fitsarana Tampony Momba ny Raharaham-panjakana any Soeda, izay nanaovana ny fitsarana an’ilay raharaha

18 DESAMBRA 2019
SOEDA

Namoaka Didy i Soeda hoe Manasoa ny Fiaraha-monina ny Fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Namoaka Didy i Soeda hoe Manasoa ny Fiaraha-monina ny Fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanome vola ho an’ny fivavahana sasany ny fanjakana soedoà, nanomboka tamin’ny 1 Janoary 2000, vokatry ny lalàna iray manohana ny fivavahana. Raha “mandrisika ny olona hahay hiara-miaina sy hiara-miasa ny zavatra inoana sy fitsipika” arahin’ny fivavahana iray, sady “mijoro tsara sy manao asa soa be dia be ho an’ny fiaraha-monina” ilay izy, dia homen’ny fanjakana vola.

Ny ankamaroan’ny fivavahana no nahazo vola avy amin’ny fanjakana soedoà. Tsy nety nanome vola ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy anefa izy ireo, nanomboka tamin’ny 2007, satria hoe tsy mety manao politika noho ny zavatra inoany ny Vavolombelona.

Tsy afa-nanoatra ny mpiara-manompo, ka nitondra an’ilay raharaha teny amin’ny fitsarana intelo. Mitovy foana ny didy navoakan’ny Fitsarana Tampony Momba ny Raharaham-panjakana. Nilaza io fitsarana io hoe tokony hovan’ny fanjakana ny fanapahan-keviny satria tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny nandavany an’ilay fangatahana.

Niova ihany ny fanapahan-kevitry ny fanjakana soedoà, tamin’ny 24 Oktobra 2019, ka nilaza izy ireo hoe fenon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny “fepetra rehetra takin’ny lalàna” mba hahazoana vola avy amin’ny fanjakana.

Mitovitovy amin’izany koa ny zava-nitranga vao haingana tany Norvezy. Nahazo vola avy amin’ny fanjakana foana ny fivavahana rehetra, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nilaza tamin’ny fanjakana anefa, volana vitsivitsy lasa izay, hoe sao dia tsy tokony homena vola ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy manao politika. Nohazavain’ny rahalahintsika tamin’ny fanjakana àry ny antony tsy hanaovantsika politika. Nalefan’izy ireo tany koa ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony Momba ny Raharaham-panjakana tany Soeda, sy ny fanapahan-kevitry ny fitsarana sy ny fitondrana any Alemaina sy Italia, izay samy nanome rariny antsika tamin’ny raharaha mitovitovy amin’izany.

Faly isika fa namoaka didy ny fanjakana norvezianina, tamin’ny 18 Novambra 2019, hoe mbola tokony hahazo vola avy amin’ny fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no famaranan-teny ao amin’ilay didy navoaka: “Zo fototra ananan’ny olom-pirenena norvezianina ny mifidy fa tsy terena izy hanao an’izany. Toa mino ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy tokony hampiasa an’izany zony izany izy ireo. ... Eken’ny fanjakana anefa hoe tsy milaza ny lalàna fa antony tsy anomezana vola ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah izany.”

Hoy ny Rahalahy Dag-Erik Kristoffersen, ao amin’ny sampan’i Skandinavia, momba an’ireo didim-pitsarana ireo: “Faly isika fa eken’ny fanjakana hoe manasoa ny fiaraha-monina. Enga anie ka handinika an’iny didim-pitsarana iny ny firenena hafa manao fandaharana [famatsiam-bola] hoatr’izany!” I Jehovah, ilay Mpanome lalàna ambony indrindra, anefa no tena isaorantsika.—Isaia 33:22.