Hijery ny anatiny

Ankavia: Trano iray ravan’ny ady vao haingana, any Khartoum, any Soudan. Ankavanana: Fianakaviana Vavolombelona mandositra an’ilay ady tonga any Kosti, any Soudan, dia raisin’ny rahalahy any tsara

3 AOGOSITRA 2023
SOUDAN

Mampahery ny Rahalahy sy Anabavy Mandositra Ady any Soudan ny Sakafo Ara-panahy

Mampahery ny Rahalahy sy Anabavy Mandositra Ady any Soudan ny Sakafo Ara-panahy

Araka ilay tatitra tao amin’ny “Vaovao” ato amin’ny jw.org tamin’ny 12 Mey 2023, dia nafana ny ady teo amin’ny antokon’olona roa any Khartoum, renivohitr’i Soudan. An’arivony ny olona naratra na maty vokatr’ilay ady. Nanapa-kevitra ny hiala tao Khartoum ny rahalahy sy anabavintsika nipetraka tany na tany akaikin’ilay tanàna. Nampahery sy nanantanjaka an-dry zareo ny boky sy gazety ary ny fivoriana alamin’ny fandaminan’i Jehovah.

Ajuja (aloha, ankavia) manatrika fivoriana any Kassala, any Soudan

Andro maromaro taorian’ny nanombohan’ilay ady, ohatra, dia nanatrika fivoriana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence i Ajuja, anabavy mpisava lalana 23 taona avy any Khartoum. Nodinihina tamin’ilay fivoriana ilay lahatsoratra hoe “Aoka Ianareo Hisaina Tsara Foana sy Hiambina!” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Hoy izy: “Nampahatsiahy ahy iny fianarana iny hoe manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly ny zavatra mitranga manodidina ahy. Izay mihitsy no fampaherezana nilaiko tamin’iny fotoana iny.” Vao mainka niharatsy ny toe-draharaha taorian’izay, dia nanapa-kevitra i Ajuja hoe hiala tao amin’ilay tanàna. Hoy ihany izy: “Nihaino an’ireny hirantsika amin’ny Tele JW ireny sy raki-peo hafa aho tamin’izaho teny an-dalana, dia vao mainka nahazo toky. Nivavaka tamin’i Jehovah koa aho mba ho tonga soa aman-tsara izahay.” Tonga soa aman-tsara tany Kassala i Ajuja, dia nandray tsara azy ny anadahiny sy ny rahavaviny any.

Eli (afovoany) manohy mitory ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly any Kosti, any Soudan

Nipetraka tany akaikin’ilay ady any Khartoum, i Eli, anti-panahy sady mpisava lalana 24 taona avy any El Haj Yousif. Nandositra tany Kosti, any amin’ny 330 kilaometatra niala avy tany amin’ny nisy azy izy. Nandray tsara azy ny rahalahiny sy ny anabaviny any, sady nanome azy sakafo sy toerana ipetrahana. Rehefa mandinika ny zavatra niainany i Eli, dia tonga saina izy hoe nampahery azy ny teny vakina novakiny nandritra an’ilay herinandro nandosirany. Nampahatsiahy azy, ohatra, ny Salamo 91:2 hoe tokony hataony fialofana sy manda fiarovana ho azy i Jehovah. Hoy izy: “Mikorontana be izao tontolo izao, dia tsy mba misy tena fiadanana izany eto. Tsy ho voavahan’ny fitondram-panjakana sy ny mpitarika ny tafika mihitsy koa ny olana atrehintsika. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no tena azontsika antenaina, satria ho voavahany daholo ny olana atrehintsika.”

Nipetraka tany akaikin’i Khartoum koa i Tia sy Julia vadiny. Mpisava lalana avy any Omdourman ry zareo. Rehefa nihanafana ny ady, dia tadidin-dry zareo ny lahatsoratra iray vao haingana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nampirisika ny Kristianina ilay izy mba hanao zavatra haingana rehefa misy fanapaha-kevitra raisiny. Rehefa hitan’i Tia sy Julia hoe niharatsy ny fiainana tany amin-dry zareo, dia nanapa-kevitra izy mivady hoe aleo manao zavatra haingana dia miala ao amin’ilay tanàna. Tonga soa aman-tsara tany amin’ilay toerana nadosirany ry zareo, sady noraisin’ny rahalahy sy anabavy any tsara. Tena faly i Tia sy Jullia nahazo an’ilay fanazavana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Hoy i Julia: “Tena faly izahay hoe anisan’ity fandaminana be fitiavana sady tena tia anay ity. Tena tsy fohy marina ny tanan’i Jehovah ka hoe tsy mahavonjy.”

Tia sy Julia (ankavanana) mampianatra Baiboly amin’ny olona liana rehefa avy nandositra an’ilay ady

Nanohy ny fahazarany ara-panahy daholo ireo rahalahy sy anabavy voatantara ireo, rehefa tonga tany amin’ny toerana nandosirany. Anisan’izany, ohatra, ny hoe manatrika fivoriana, manompo eny amin’ny saha, ary manomboka fampianarana Baiboly mihitsy aza. Nanampy an-dry zareo handamina ny fiainany sy ho falifaly ireny zavatra ara-panahy ireny sy ny fiarahana amin’ny rahalahy sy anabavy any amin’ny fiangonany vaovao.

Tena mampahery ny mahita hoe mbola miantehitra amin’i Jehovah sy amin’ny Soratra Masina foana ny rahalahy sy anabavintsika any Soudan, dia mahazo fampiononana sy fanantenana.​—Romanina 15:4, 5.