Hijery ny anatiny

12 MEY 2023
SOUDAN

Mbola Mafana ny Ady any Soudan

Mbola Mafana ny Ady any Soudan

Nisy antokon’olona roa mirongo fiadiana niady tany Khartoum, renivohitr’i Soudan, nanomboka tamin’ny 15 Aprily 2023. Araka ny vaovao voaray, dia olona 600 mahery no maty ary 5 000 no naratra vokatr’izany.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Rehefa avy nandositra an’ilay ady tany Khartoum ny rahalahy sy anabavintsika, dia nivory mba handray fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly tany Wad Madani, any Soudan

    Tsy nisy rahalahy na anabavintsika naratra na maty

  • Mpitory 318, fara fahakeliny, no voatery nifindra toerana. Tafatsoaka nankany amin’ny firenena eo akaiky eo ny sasany amin’izy ireo

  • Olon-dehibe 8 no tsy tafavoaka tao am-piasany, dia ankizy 5 no tsy tafavoaka tany am-pianarana. Efa tafaraka amin’ny fianakaviany indray izy ireo izao

Fanampiana tra-boina

  • Mampahery an’ireo tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny anti-panahy

  • Maromaro ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky notendrena any Soudan sy any amin’ireo firenena manodidina mba hanampy ny tra-boina arakarak’izay ilain’izy ireo sy handamina an’izany fanampiana izany

Efa tsy andrintsika ny hahatanterahan’ny Salamo 72:7 hoe: “Ho be ny fiadanana.” Eo am-piandrasana an’izany, dia hivavaka ho an’ny mpiara-manompo amintsika any Soudan foana isika, satria mikorontana ny fiainan’izy ireo noho ny herisetra.