Hijery ny anatiny

Rahalahy maromaro mipetraka eo amoron-dalana miandry fiara hitondra an-dry zareo any amin’ny toerana azo antoka

2 JANOARY 2024
SOUDAN

Rahalahy sy Anabavy Voatery Mandositra Indray Noho ny Ady any Soudan

Rahalahy sy Anabavy Voatery Mandositra Indray Noho ny Ady any Soudan

Rahalahy mitsoaka avy any Wad Madani sady milanja mpiara-manompo marary

Nafana indray ny ady teo amin’ny antoko roa mitam-piadiana any Khartoum, renivohitr’i Soudan, tamin’ny 15 Desambra 2023, dia nitatra hatrany, Wad Madani izany. Io no tanàna faharoa be mponina indrindra any. Araka ilay tatitra teo aloha tato amin’ny jw.org, dia be dia be ny rahalahy sy anabavintsika nandositra tany Wad Madani, raha vao nanomboka ilay ady tany Khartoum, tamin’ny Aprily 2023. Any amin’ny 170 kilaometatra eo ho eo any atsimoatsinanan’i Khartoum no misy an’i Wad Madani. Voatery nifindra toerana indray anefa izao ny 150 mahery tamin’ireo rahalahy sy anabavy ireo noho ilay ady.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy mpiara-manompo naratra na maty

  • Mpiara-manompo 158, fara fahakeliny, no tsy maintsy nifindra toerana. Nitsoaka nankany amin’ny tanàn-dehibe na firenena eo akaiky eo ny sasany

  • Nijanona tany Wad Madani ny mpiara-manompo 10 sy ny fianakaviany vitsivitsy tsy Vavolombelona

Fanampiana tra-boina

  • Nizara hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly tamin’ireo mpiara-manompo ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy

  • Mbola manohy manampy an’ireo tra-boina sy manome an’izay zavatra ilainy ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky any Soudan sy any amin’ireo firenena eo akaiky eo. Ataon-dry zareo, ohatra, izay ahazoan’ireo tra-boina sakafo sy fanafody ary fialofana

Ireo fito natao batisa nandritra an’ilay fivoriambe andro vitsivitsy talohan’ilay ady tao Wad Madani

Nahagaga fa vao herinandro talohan’ilay ady tany Wad Madani no nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra noraisim-peo ho an’izay mpiara-manompo tsy maintsy nitsoaka ny sampan’i Afrika Atsinanana. Ilay fivoriambe tamin’ny 2023 hoe “Manàna Faharetana”! no natrehin-dry zareo tamin’izay. Tamin’ny teny arabo ilay izy. Efa ho 200 no nanatrika an’ilay fivoriambe, dia mpiara-manompo nandositra an’ilay ady tany Khartoum ny 145 tamin’izy ireo. Be dia be no nankasitraka an’ilay sakafo ara-panahy azony tamin’ilay fivoriambe, indrindra ilay tantara ara-baiboly hoe “Ankino Amin’i Jehovah ny Lalanao.” Tena nampahery an-dry zareo ilay izy satria nitovy tamin’ny zavatra natrehiny ilay tantara. Nisy fito no natao batisa nandritra ilay fivoriambe.

Mivavaka ho an’ireo mpiara-manompo any Soudan isika mba hahavita hiaritra ry zareo. Efa tena tsy andrintsika koa ilay fotoana nolazain’i Jehovah hoe ‘tsy hisian’ny ady intsony eran-tany.’​—Salamo 46:9.