Hijery ny anatiny

08 NOVAMBRA 2016
SRI LANKA

Nanampy An’ireo Tra-boina Tamin’ilay Tondra-drano Tany Sri Lanka ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanampy An’ireo Tra-boina Tamin’ilay Tondra-drano Tany Sri Lanka ny Vavolombelon’i Jehovah

COLOMBO, any Sri Lanka—Any amin’ny 100 kilaometatra eo ho eo miala eo Colombo, renivohitr’i Sri Lanka, no misy an’i Aranayaka. Nisy tany nihotsaka be dia be tany, ka olona 100 mahery no maty, ary 350000 teo ho eo no tra-boina. Nisy oram-be nivatravatra tany nanomboka tamin’ny 15 Mey, ka nahatratra 373 milimetatra ny rotsakorana tany Kilinochchi, tao anatin’ny indray andro. Milaza ny manam-pahefana fa iny no loza voajanahary ratsy indrindra namely an’i Sri Lanka, taorian’ilay tsunami tamin’ny 2004.

Vavolombelona mampiditra entana ao anaty fiara, mba hozaraina amin’ireo tra-boina

Nilaza ny biraon’ny sampan’i Vavolombelon’i Jehovah any Sri Lanka fa tsy nisy Vavolombelona namoy ny ainy, saingy 200 teo ho eo no tsy maintsy nafindra toerana. Tondraky ny rano ny Efitrano Fanjakana, izany hoe ny efitrano fivorian’izy ireo, any Kaduwela. Any amin’ny 15 kilaometatra eo ho eo miala avy any Colombo no misy azy io. Nahatratra roa metatra ny haavon’ny rano tao amin’ilay izy.

Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky avy hatrany ireo Vavolombelona mba hikarakarana an’izay nilain’ireo tra-boina sy hampaherezana azy ireo avy ao amin’ny Baiboly. Napetraka tao amin’ny Efitrano Fanjakana tao Kotahena ny fanampiana an’ireo tra-boina, ohatra hoe rano madio sy akanjo ary fanafody. Vavolombelona an-jatony no nanolo-tena hizara an’izay nilain’ireo mpiara-mivavaka aminy sy ny mpiray tanàna aminy.

Hoy i Nidhu David, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Sri Lanka: “Mbola mivavaka ho an’ireo fianakaviana maro tra-boina tamin’iny loza iny izahay. Manampy an-dry zareo manadio ny tranony koa izahay, mizara sakafo, ary manome akanjo ho an’izay mila an’izany. Mahafinaritra be mihitsy ny toe-tsain’ireo Vavolombelona nanolo-tena mba hanampy, tamin’iny loza iny. Tena nampahery ny zavatra nataon-dry zareo, nandritra an’ireny fotoan-tsarotra ireny.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel.: 17185605000

Sri Lanka: Nidhu David, tel.: 94 112930444