19 MARTSA 2021
TADJIKISTAN
Asain’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona Karakaraina Manokana ny Rahalahy Shamil Khakimov
Nasain’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (CCPR) handray fepetra haingana i Tadjikistan, tamin’ny 19 Martsa 2021, mba hikarakarana ny fahasalaman’ny Rahalahy Shamil Khakimov, 70 taona. Efa hatramin’ny Febroary 2019 io rahalahintsika marary io no nogadraina satria nampihatra ny zavatra inoany. Mangataka ny manam-pahefana any Tadjikistan ny CCPR mba hamindra ny Rahalahy Khakimov any amin’ny toeram-pitsaboana mahay sy hitady hevitra hafa ankoatra ny hoe managadra azy any am-ponja, mandra-piandry ny raharahany any amin’ny CCPR.