Hijery ny anatiny

2 OKTOBRA 2019
TADJIKISTAN

Gadraina Tsy Ara-drariny Fito Taona sy Tapany ny Rahalahy Shamil Khakimov, 68 Taona, any Tadjikistan

Gadraina Tsy Ara-drariny Fito Taona sy Tapany ny Rahalahy Shamil Khakimov, 68 Taona, any Tadjikistan

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Khodjent any Tadjikistan higadra fito taona sy tapany ny Rahalahy Shamil Khakimov, tamin’ny 10 Septambra 2019, satria fotsiny hoe niresaka ny zavatra inoany tamin’ny olona. Nampakarin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny fitsarana ambony kokoa ilay raharaha.

Tamin’ny voalohandohan’ny taona 2019 no nanomboka ny olan’ny Rahalahy Khakimov, 68 taona. Nosamborina izy tamin’ny 26 Febroary satria hoe “mampirisika ny olona hankahala fivavahana hafa.” Notanana am-ponja vonjimaika izy avy eo ka naharitra enim-bolana izany rehefa nitarina foana. Efa ambony be ny tosidran’ny Rahalahy Khakimov sady vao avy nodidiana izy, nefa dia mbola gadraina tsy ara-drariny ihany.

Izay indray vao nisy Vavolombelon’i Jehovah migadra any Tadjikistan, hatramin’ny 2017. Nigadra enim-bolana i Daniil Islamov, izay 18 taona tamin’izay, satria tsy nety nanao fanamiana miaramila. Anisan’ny firenena managadra Vavolombelon’i Jehovah i Tadjikistan. Misy Vavolombelon’i Jehovah migadra koa any Érythrée, Rosia, Singapour, ary Turkménistan.

Mivavaka isika mba homen’i Jehovah an’izay ilainy foana ny Rahalahy Khakimov mba hahafahany miaritra an’izao fitsapana mahazo azy izao.—Romanina 15:5.