Hijery ny anatiny

3 FEBROARY 2022
TADJIKISTAN

Komitin’ny Firenena Mikambana: Nanitsakitsaka ny Zon’ny Rahalahy Tierri Amedzro i Tadjikistan

Komitin’ny Firenena Mikambana: Nanitsakitsaka ny Zon’ny Rahalahy Tierri Amedzro i Tadjikistan

Tamin’ny 14 Desambra 2021, dia namoaka didy ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona hoe nanitsakitsaka ny zon’ny Rahalahy Tierri Amedzro i Tadjikistan. Nosamborin’izy ireo mantsy izy, dia avy eo nalefany sesitany any Kazakhstan.

Nilaza ilay komity fa “tsy ara-drariny” ilay fisamborana sady tsy mifanaraka amin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika. Nilaza koa ilay komity hoe tsy azon’ny fanjakana sakanana i Tierri raha te hiverina any Tadjikistan. “Mila mandray fepetra hentitra” ny manam-pahefana any Tadjikistan “mba tsy hiverina intsony ny fanitsakitsahana zon’olombelona hoatr’izao amin’ny manaraka.”

Nanao bemidina tany amin’ny trano iray nanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriana ny polisy any Tadjikistan, tamin’ny 4 Oktobra 2018. Nosamborin’izy ireo i Tierri, dia avy eo nalaina am-bavany tany amin’ny foiben’ny Komitin’ny Fanjakan’i Tadjikistan Momba ny Fiarovam-pirenena. Rosianina i Tierri ary miasa any Tadjikistan, nefa nendrikendrehina hoe tsy manana taratasy fifindra-monina ara-dalàna. Nomelohin’ny mpitsara izy tamin’ny 16 Oktobra 2018.

Nasain’ilay mpitsara nandoa lamandy i Tierri ary avy eo nasainy nalefa any Kazakhstan.

Hoy i Tierri: “Manantena aho hoe mba hisy vokany tsara amin’ny fahalalahana ara-pivavahana any Tadjikistan iny didy navoakan’ny Komitin’ny Firenena Mikambana iny, dia mba hilamin-tsaina ireo rahalahintsika any rehefa manompo an’i Jehovah.”

Misy rahalahy iray gadraina noho ny finoany izao any Tadjikistan.

Matoky isika fa homen’i Jehovah fiadanana foana ireo rahalahintsika miaritra fitsapana.​—Isaia 26:3.