Hijery ny anatiny

7 JANOARY 2021
TADJIKISTAN

Melohin’ny Fitsarana Miaramila any Tadjikistan Higadra Telo Taona sy Tapany ny Rahalahy Rustamjon Norov

Melohin’ny Fitsarana Miaramila any Tadjikistan Higadra Telo Taona sy Tapany ny Rahalahy Rustamjon Norov

Nomelohin’ny fitsarana miaramila any Tadjikistan higadra telo taona sy tapany ny Rahalahy Rustamjon Norov, tamin’ny 7 Janoary 2021, satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Navela hiteny teo anatrehan’ny fitsarana izy, taloha kelin’ny namoahana an’ilay didy. Nanonona andinin-teny be dia be avy ao amin’ny Baiboly izy mba hanazavana ny antony tsy anaovany miaramila. Nohazavainy koa tamin’izay hoe inona no nanampy azy hijoro amin’ny heviny.

Anisan’ny notononiny ny Filipianina 4:13, izay manao hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” Hoy koa izy: “Tsapako hoe teo foana i Jehovah Andriamanitro, dia ampiany aho mba tsy ho kivy, ho faly sy sambatra, ary hitsiky foana. Isaorako betsaka izy ary mirehareha aho hoe Vavolombelony.”