Hijery ny anatiny

2 APRILY 2020
TADJIKISTAN

Meloka Higadra Roa Taona ny Rahalahy Jovidon Bobojonov any Tadjikistan

Meloka Higadra Roa Taona ny Rahalahy Jovidon Bobojonov any Tadjikistan

Nomelohin’ny fitsarana miaramila any Douchanbé, renivohitr’i Tadjikistan, higadra roa taona ny Rahalahy Jovidon Bobojonov, ny 2 Aprily 2020, satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony izy.