Hijery ny anatiny

Rahalahy Jovidon Bobojonov

31 MARTSA 2020
TADJIKISTAN

Mety Higadra ny Rahalahy Jovidon Bobojonov any Tadjikistan Satria Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

Mety Higadra ny Rahalahy Jovidon Bobojonov any Tadjikistan Satria Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

Amin’ny alarobia 1 Aprily 2020 ny fitsarana miaramila any Douchanbé, renivohitr’i Tadjikistan, no hamoaka didy momba ny Rahalahy Jovidon Bobojonov. Tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany mantsy io rahalahy io. Efa maherin’ny dimy volana izay ny Rahalahy Bobojonov no niandry ny didim-pitsarana azy tany am-ponja. Nijaly be izy tany.

Naka an-keriny ny Rahalahy Bobojonov, 19 taona, ny miaramila tao Khodjent, tamin’ny 4 Oktobra 2019, ary nentin’izy ireo tany an-toby izy ka nogadrainy tany. Noterena hiofana ho miaramila izy, roa andro taorian’izay, ka nentina tany amin’ny toerana fiofanana any Lenin. Nafindra tany amin’ny toby No. 45 075 izy tatỳ aoriana. Nitady fomba hanerena azy hanao fanamiana miaramila sy hanao fianianana miaramila ny tao amin’io toby io. Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy, tamin’ny 28 Janoary 2020.

Nametraka fitarainana tany amin’ny manam-pahefana maro ao Tadjikistan ny ray aman-drenin’i Jovidon, izay Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’ny nandefasany fitarainana ny fiadidiana ny repoblika sy ny Ombudsman. Nilaza ny manam-pahefana hoe heloka bevava no nataon’ny Rahalahy Bobojonov ary ara-dalàna ny fakana azy an-keriny satria mbola tsy misy lalàna momba ny fanompoana sivily ho solon’ny fanaovana miaramila.

Fantatsika hoe hamaly soa ny Rahalahy Bobojonov i Jehovah noho ny herim-pony, ary homeny herin-tsaina sy fiadanan-tsaina izy sy ny fianakaviany.—Salamo 29:11.