Hijery ny anatiny

13 OKTOBRA 2022
TADJIKISTAN

Milaza ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona fa Mandika Lalàna i Tadjikistan Satria Mandrara ny Vavolombelon’i Jehovah

Milaza ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona fa Mandika Lalàna i Tadjikistan Satria Mandrara ny Vavolombelon’i Jehovah

Namoaka fanapahan-kevitra tena lehibe ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (CCPR) tamin’ny 7 Septambra 2022, momba ny tsy rariny sy ny fampijalijaliana ataon’i Tadjikistan amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny CCPR, tao amin’ilay didy navoakany tamin’ny 7 Jolay 2022, momba an’ilay raharaha Adyrkhayev miady amin’i Tadjikistan. Lavin’i Tadjikistan mantsy hoe hekena ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah dia rarany koa ny asa ataon’izy ireo.

Efa 50 taona mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah no nanao ny asany tany Tadjikistan. Voasoratra ara-dalàna ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah (RAJW) tamin’ny 1994. Nofoanan’ny Minisiteran’ny Kolontsaina anefa izany, tamin’ny 11 Oktobra 2007, dia norarany ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza ny fanjakana fa mampidi-doza ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy ilay ry zareo tsy manaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, ary ilay ry zareo mino hoe ny azy no fivavahana marina. Imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah no niezaka namerina nanoratra ara-dalàna ny fivavahan-dry zareo, fa nolavina foana izany.

Nilaza ny CCPR tao amin’ilay didy navoakany vao haingana fa tsy ara-dalàna ny ataon’i Tadjikistan amin’ilay izy mandrara ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza koa izy fa “tsy misy mitombina” ny antony handraran’i Tadjikistan ny Vavolombelon’i Jehovah, sy ny antony mahatonga azy tsy hamerina hanoratra an’io fivavahana io ho ara-dalàna.

Nilaza koa ny CCPR fa noho i Tadjikistan tsy manaiky hamerina hanoratra ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, dia lasa “be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nosamborina, nogadraina, natao famotorana, nosavana ny tranony, novonovonoina, nalaina ny boky sy gazetiny ara-pivavahana, ary [nisy anankiray] nalefa sesitany.” Namoaka fanapahan-kevitra àry ny CCPR fa tsy rariny ny nataon’i Tadjikistan tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanitsakitsaka ny zon’izy ireo mifanaraka amin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika io firenena io.

Ny Rahalahy Shamil Khakimov, 71 taona, ary efa nigadra hatramin’ny Febroary 2019

Nampirisika an’i Tadjikistan ny CCPR mba hamerina handinika ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka hamerina hanoratra ara-dalàna an’io fivavahana io, dia hanome onitra an’izay nohitsakitsahina ny zony. Notenenina koa ny fanjakan’i Tadjikistan hoe “tsy maintsy manao ny dingana rehetra ilaina ry zareo mba tsy hamerina hanitsakitsaka ny zon’ny olona hoatr’izany intsony amin’ny hoavy.”

Mety hisy vokany amin’ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Shamil Khakimov io fanapahan-kevitra navoakan’ny CCPR io. Efa 71 taona io rahalahy io, ary efa hatramin’ny Febroary 2019 izy no nogadraina satria nanaraka ny zavatra inoany. Nosamborin’ny manam-pahefana any Tadjikistan izy dia nogadrainy, satria fotsiny hoe voarara ny Vavolombelon’i Jehovah.

Enga anie mba ho afaka hanaraka tsara ny fivavahany amin’izay ny Vavolombelon’i Jehovah any Tadjikistan. Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah ny ezaka rehetra atao mba ‘hiarovana ny vaovao tsara sy hahazoana zo ara-dalàna hitory an’izany.’​—Filipianina 1:7.