Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Shamil Khakimov mivoaka ny fonja dia tsenain’ny mpiara-manompo aminy

16 MEY 2023
TADJIKISTAN

Nafahana avy tao Amin’ny Fonjan’i Tadjikistan ny Rahalahy Shamil Khakimov, 72 Taona

Nafahana avy tao Amin’ny Fonjan’i Tadjikistan ny Rahalahy Shamil Khakimov, 72 Taona

Nafahana avy tao amin’ny fonjan’i Tadjikistan ny Rahalahy Shamil Khakimov tamin’ny 16 Mey 2023. Nody tany aminy izy rehefa avy nigadra efa-taona mahery noho ny finoany.

Efa nisy aretina maromaro nahazo an’i Shamil talohan’izy nosamborina tamin’ny 2019. Ambony, ohatra, ny tosidrany dia narary fo koa izy. Tsy nahazo ny fitsaboana nilainy anefa izy tany am-ponja. Vokatr’izany, dia niharatsy ny fahasalamany ary voan’ny gangrène mihitsy aza izy, izany hoe tsy nikoriana tsara hatrany amin’ny feny sy ny tongony intsony ny ra.

Sarotra ny zavatra niainan’i Shamil tany am-ponja ary nanaintaina be izy. Na izany aza, dia nifantoka tamin’ny zavatra tsara foana izy satria nisaintsaina andinin-teny voafaritra tsara maromaro avy ao amin’ny tenin’Andriamanitra.

Mitondra takelaka ny naman’i Shamil rehefa mitsena azy eo ivelan’ny fonja. Misy soratra eo amin’ilay izy hoe: “Tena Tianay Ianao Shamil!”

Rehefa nivavaka izy, dia matetika izy no namerina ny voalazan’ny Salamo 141:8 hoe: “Ianao ... no andrandrain’ny masoko, Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Ianao no ialofako.” Nampahery be azy koa ny Isaia 49:13, 16. Voalaza ao fa hoatran’ny ‘nosoratana’ eo amin’ny felatanan’i Jehovah ny anaran’ny olona mijaly. Nanome toky an’i Shamil ireo teny ireo hoe tsy hohadinoin’i Jehovah izy na dia nihidy tany am-ponja aza.

Nampahery azy ny Tenin’i Jehovah, dia falifaly foana izy ary afaka nampahery ny olon-kafa mihitsy aza. Nisy rahalahy izay nifandray matetika tamin’i Shamil tamin’i Shamil mbola nigadra. Izao no notantarainy: “Tamin’izaho nitelefaonina azy voalohany, dia nieritreritra aho hoe feon’olona kivy sy malahelo be no ho henoko. Tsy izany anefa no nitranga. Tsapako hoe nanana finoana matanjaka izy. Tsy mba kivy izany izy na inona na inona nitranga. Izy indray aza matetika no nampahery anay.”

Hoy ny Fitomaniana 3:25: “Tsara i Jehovah amin’izay manantena azy, dia amin’izay olona mitady azy foana.” Mivavaka isika hoe enga anie i Jehovah ka ho “tsara” foana amin’i Shamil sy ny rahalahy sy anabavintsika any Tadjikistan, izay miaritra nefa falifaly foana.