Hijery ny anatiny

Rahalahy Jovidon Bobojonov

18 NOVAMBRA 2020
TADJIKISTAN

Nahazo Famotsoran-keloka i Jovidon Bobojonov ary Nafahana

Nahazo Famotsoran-keloka i Jovidon Bobojonov ary Nafahana

Nilaza ny Rahalahy Jovidon Bobojonov rehefa nafahana, tamin’ny 1 Novambra 2020, hoe: “I Jehovah no nanampy ahy ho be finoana foana.” Nahazo famotsoran-keloka avy amin’ny Filoham-pirenen’i Tadjikistan izy sy ny gadra hafa 377, ny omalin’io. Sivy volana ihany i Jovidon no nigadra na dia voaheloka higadra roa taona aza satria tsy mety manao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Naka an-keriny ny Rahalahy Bobojonov, 19 taona, ny miaramila, tamin’ny 4 Oktobra 2019, ary nentin’izy ireo tany an-toby izy ka nogadrainy tany. Imbetsaka izy no nafindrafindra toby miaramila, nandritra ny volana maromaro taorian’izay. Tsy maintsy nohazavainy foana, isaky ny nafindra toby izy, hoe maninona no tsy manaiky hanao miaramila. Hoy i Jovidon: “Tsy mitombina mihitsy ny fanontaniana be dia be apetraky ny lehiben’ny tafika sy ny miaramila. Tian-dry zareo hiala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah aho. Tian-dry zareo ho tezitra aho dia izany no hametrahany an’ireny fanontaniana ireny. Indraindray koa aho fohazin-dry zareo amin’ny alina dia ireny fanontaniana ireny ihany no averimberiny apetraka amiko, hoe maninona aho no tsy manaiky hanao miaramila.

“Tena nanampy be ny vavaka. Nivavaka sy nitomany andro aman’alina tamin’i Jehovah aho mba hampiany hiaritra, tsy handiso fanantenana azy, ary ho tony foana rehefa misy mila vaniny.

“Nanohana ahy i Jehovah ... Kivy aho indraindray satria mahatsiaro ho irery. Mampahery sy manatanjaka ahy anefa i Jehovah, amin’ny alalan’ny zavaboariny. Isaky ny mifoha maraina aho dia maheno siotsiokam-borona. Rehefa amin’ny alina indray aho dia mijery ny volana sy ny kintana. Mahafaly sy mampahery ahy ireny fanomezana avy amin’i Jehovah ireny.”

Nomelohina i Jovidon, tamin’ny 2 Aprily 2020, ka nesorina tany amin’ny toby iray dia nalefa tany am-ponja. Tsy azo andefasana taratasy izy. Manatitra sakafo ho azy anefa ny mpiara-manompo eny akaiky eny dia soratan-dry zareo amin’ny harona misy an’ilay sakafo ny andinin-teny ho an’ny andro. Hoy i Jovidon: “Manampy ahy tsy ho irery izany sady hitako hoe tia ahy ny namako.”

Faly koa izy satria nahatadidy andinin-teny mampahery, ohatra hoe ny Romanina 8:37-39. Hoy izy: “Hitako hoe tena marina ireo teny ireo rehefa tany am-ponja aho. Tsy nisy nahasakana an’i Jehovah tsy ho tia ahy ireny fitsapana ireny. Nanampy ahy hanana finoana matanjaka foana i Jehovah.”

Nampahery ny ray aman-dreniny ny zavatra niainan’i Jovidon. Hoy i Abdujamol, dadan’i Jovidon: “Manatanjaka ny finoanay ny vavaka sy ny ohatra tsaran’ny zanakay. Nahavita tsy nivadika tamin’i Jehovah izy. Tena manohana koa ny rahalahy sy anabavy maneran-tany. Tena mankasitraka ny vavaka ataon’izy ireo izahay. Misaotra betsaka an’i Jehovah izahay satria omeny namana be fitiavana sy be fiahiana.”

Mety hiatrika fitsapana toy ny “afo mandoro” daholo isika amin’izao fotoan’ny farany izao. (1 Petera 4:12) Hoy i Jovidon namarana ny teniny: “Tsy migadra intsony aho izao dia te hiezaka hianatra lalina momba an’i Jehovah, amin’izay mba ho vonona tsara amin’izay fitsapana mety hahazo ahy. Ho anareo mbola tsy niatrika fitsapana mafy, dia tena ilainareo ny manararaotra tsara mianatra momba an’i Jehovah dia mamaky ny Teniny sy ny boky sy zavatra hafa avoakan’ny fandaminana.”