Hijery ny anatiny

Rahalahy Rustamjon Norov (faharoa eo ankavia) miaraka amin’i Fariza reniny, i Ravshan zandriny, ary i Batyr rainy, nitsidika ny biraon’ny sampan’i Kirghizistan, tamin’ny 2016

27 OKTOBRA 2020
TADJIKISTAN

Tanana Am-ponja Vonjimaika ny Rahalahy Tanora Iray any Tadjikistan, ary Be Herim-po Foana na dia Mety Higadra Hatramin’ny Dimy Taona aza

Tanana Am-ponja Vonjimaika ny Rahalahy Tanora Iray any Tadjikistan, ary Be Herim-po Foana na dia Mety Higadra Hatramin’ny Dimy Taona aza

Datin’ny didim-pitsarana

Tsy ho ela a ny fitsarana miaramila any Tadjikistan dia hamoaka didy momba ny Rahalahy Rustamjon Norov. Mety higadra roa taona ka hatramin’ny dimy taona izy, satria tsy mety manao miaramila. Efa nanomboka tamin’ny 1 Oktobra 2020 izy no notanana am-ponja vonjimaika.

Ilay Voampanga

Rustamjon Norov

  • Teraka: 1998 (tany Douchanbé)

  • Mombamomba azy: Nanavao trano sy nanamboatra fanaka simba mba hamelomana ny tenany sy hanampiana ny fianakaviany. Tia milalao baolina.

  • Natao batisa tamin’ny 2016, tamin’izy 17 taona. Niaraka tamin’ny ray aman-dreniny tao amin’ny fiangonana miteny rosianina foana, fa avy eo nifindra tany amin’ny fiangonana miteny tadjik, roa taona taorian’ny batisany

Mombamomba an’ilay raharaha

Nandeha tany amin’ny biraon’ny miaramila ny Rahalahy Rustamjon Norov tamin’ny 2016. Nohazavainy hoe tsy afaka manao miaramila izy fa afaka manao fanompoana sivily kosa ho solon’izany. Mbola hoatr’izay ihany no nataony ny taona nanaraka. Nanaja tsara ny Rahalahy Norov ny iray tamin’ireo lehiben’ny miaramila tao amin’ilay birao fiantsoana miaramila, sady variana tamin’ny fanazavana nomeny. Tsy voantso hanao miaramila mihitsy àry ny Rahalahy Norov, nandritra ny telo taona nanaraka.

Voantso tany amin’ny birao miandraikitra ny fiantsoana miaramila anefa ny Rahalahy Norov, tamin’ny 24 Septambra 2020. Nalaina am-bavany nandritra ny adiny telo izy, ary avy eo notenenina hoe tokony ho afaka hanao miaramila satria salama tsara. Nanandrana nanery azy hijery ny toe-pahasalamany any amin’ny dokotera ny lehiben’ny miaramila avy eo. Nanatri-maso ny zava-nitranga rehetra ny dadan’ny Rahalahy Norov, ka nangataka tamin’ireo lehiben’ny miaramila ireo izy mba handefa an’ilay raharaha any amin’ny mpampanoa lalàna.

Nandeha tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna ny Rahalahy Norov sy ny dadany, tamin’ny 1 Oktobra. Nasain’ny mpampanoa lalàna naterin’ny polisy anankiray tany amin’ny birao miandraikitra ny fiantsoana miaramila anefa izy ireo. Rehefa tonga tany ry zareo, dia tsy navela hiditra ny dadan’ny Rahalahy Norov. Notanana am-ponja nandritra ny roa andro ny Rahalahy Norov. Tsy mbola tena nisy zavatra niampangana azy anefa, ary tsy mbola notsaraina hoe nanao heloka bevava izy. Tsy navelan’ny lehiben’ny miaramila hiresaka tamin’ny mpisolovavany koa izy, tamin’izy tany am-ponja.

Nalefa tany amin’ny toby miaramila iray tany Khodjent ny Rahalahy Norov, tamin’ny 3 Oktobra, ary 300 kilaometatra eo ho eo miala an’i Douchanbé, toerana ipetrahan’ny ray aman-dreniny, no misy an’io toby io. Imbetsaka izy no nafindrafindra toby miaramila, tany Khodjent, nandritra ny roa andro mahery taorian’izay.

Tamin’ny 6 Oktobra izy vao navela hiantso ny fianakaviany sy navela hihaona tamin’ny mpisolovavany. Nasain’ny fitsarana miaramila iray ao Tadjikistan notanana am-ponja vonjimaika anefa izy, tamin’ny 17 Oktobra. Tsy maintsy mbola mijanona any am-ponja izy mandra-pahavitan’ny fanadihadiana ataon’ny mpampanoa lalàna momba an’ilay raharaha, sy mandra-pahatongan’ny fotoana hitsarana azy. Nampangaina hoe nanova ny antontan-taratasy mombamomba ny toe-pahasalamany izy, satria fotsiny hoe tsy te hanao miaramila.

Tsy kivy ny Rahalahy Norov sady matoky tanteraka an’i Jehovah, na dia migadra aza. Tena misaotra an’i Jehovah koa izy nanampy azy hanana finoana matanjaka sy herim-po hiatrehana an’io fitsapana io. Tena faly koa anefa izy satria efa nisy fitsapana tsy nampoizina nahazo azy tamin’ny 2013. Nisy polisy tonga tany am-pianaran-dry zareo tamin’izay, dia nalain’ireo polisy ireo an-keriny izy sy Ravshan zandriny lahy mba hoentina tany amin’ny birao miandraikitra ny fiantsoana miaramila. Nasain-dry zareo nojeren’ny dokotera ny fahasalaman’izy mirahalahy mba hahitana hoe afaka manao miaramila ve izy ireo sa tsia. Mbola vao 15 taona i Rustamjon tamin’izany ka tsy mbola ampy taona hanao miaramila akory. Tsy mbola vita batisa koa izy tamin’izany. Taorian’iny zava-nitranga iny, dia tapa-kevitra i Batyr, dadan’izy ireo, hoe hanokana fotoana betsaka kokoa mba hanampiana azy roa lahy hiaro ny finoany, mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana. Nanao fanazaran-tena foana ry zareo, dia i Batyr no mody nanao miaramila ao amin’ny birao miandraikitra ny fiantsoana miaramila, dia izy roa lahy asaina miezaka miaro ny finoany.

Hoy i Rustamjon: “Nieritreritra aho tamin’izahay mbola tsy nanao fanazaran-tena hoe efa tena vonona hiaro ny finoako. Rehefa nanao an’ilay izy amin’izay anefa aho dia gaga be fa natahotra be mihitsy. Hitako hoe mbola nila nivavaka bebe kokoa tamin’i Jehovah aho mba hanana finoana matanjaka. Mbola nila nianatra tsara koa aho mba ho tapa-kevitra kokoa tsy hanao miaramila mihitsy. Afaka tsikelikely ihany ilay tahotra, rehefa nandeha ny fotoana. Nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa aho, tamin’ny voalohandohan’ny 2016.”

Tena nampahery an’i Rustamjon koa ny niaraka tamin’ireo rahalahy matotra efa nigadra noho ny finoany teo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Fantatro tsara fa tsy hiaritra ny mafy aho raha vao tsy mety hanao miaramila. Raha tsy maintsy hogadraina anefa aho, dia raisiko ho voninahitra lehibe izany satria ho afaka hanamasina ny anaran’i Jehovah any amin’ny ‘faritany’ vaovao aho.”

Hoy ny dadan’i Rustamjon: “Tena misaotra an’i Jehovah izahay mianakavy satria nomeny tombontsoa be mba hanao ny sitrapony sy ho fitaovana eny an-tanany. Ary izao no mba teny kelinay ho an’ny rahalahy sy anabavy: ‘Tena misaotra betsaka anareo satria tsapanay hoe tia anay ianareo, nanohana anay ary nivavaka ho anay. Tena nanampy anay ho tony foana sy ho akaiky kokoa an’i Jehovah izany.’ Tsy misy zavatra mampanahy na mampatahotra anay mihitsy. Araka ny nampanantenain’i Jehovah ao amin’ny Teniny, dia feno ny fiadanan’Andriamanitra ny fonay!”—Filipianina 4:6, 7.

a Mbola tsy fantatra hatramin’izao hoe rahoviana ny daty hitsarana azy