Hijery ny anatiny

20 MEY 2024
TAILANDY

Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky Tany Bangkok: Nasongadin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Manampy Antsika Hilamin-tsaina ny Baiboly

Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky Tany Bangkok: Nasongadin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Manampy Antsika Hilamin-tsaina ny Baiboly

Natao tamin’ny 28 Martsa ka hatramin’ny 8 Aprily 2024 ny foara faha-22 amin’ilay Foara Iraisam-pirenen’i Bangkok Momba ny Boky. Tao amin’ny Queen Sirikit National Convention Center any Tailandy ilay izy no natao, ary roa tapitrisa teo ho eo ny mpitsidika. Nanao tranoheva ireo rahalahintsika, dia nasongadina tamin’ilay fampirantiana hoe afaka manampy antsika hilamin-tsaina ny torohevitry ny Baiboly. Betsaka ny olona tonga teo amin’ilay fampirantiana, dia niresadresaka tamin’ny rahalahy sy anabavy teo, ary 34 no nangataka hianatra Baiboly.

Nisy lehilahy iray, ohatra, niteny hoe miady saina be ny zanany vavy. Nampiasa hevitra ara-baiboly sasany avy ao amin’ilay Tilikambo Fiambenana No. 1 2023 hoe “Aretin-tsaina: Manampy ve ny Baiboly?” ireo rahalahy mba hanampiana azy. Nampian-dry zareo koa izy mba hahita fanazavana fanampiny ao amin’ny jw.org, momba ny hoe ahoana no hahasambatra ny fianakaviana. Tena tiany be ny torohevitra avy ao amin’ny Baiboly noresahina taminy, dia hoy izy hoe tonga dia horesahiny amin’ny zanany vavy izany.

Nisy manam-pahefana ambony iray koa nitsidika an’ilay fampirantiana, dia niresaka ela be tamin’ny rahalahy iray. Nanontany momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fampianarana Baiboly ataontsika izy, rehefa avy nijery video vitsivitsy avy ao amin’ny jw.org. Nahita soratra manasa ny olona hianatra Baiboly maimaim-poana izy avy eo, dia nanontany hoe: “Ahoana izany mianatra Baiboly izany?” Nasehon’ilay rahalahy azy ilay bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, dia natorony azy hoe ahoana no fianarana Baiboly amin’ilay izy. Nifanao fotoana ry zareo mba hanohizana an’ilay resadresaka.

Nisy anabavintsika indray nampiseho ny tranonkalantsika tamin’ny vehivavy iray, sady nanazava kely momba ny asa fitoriana ataontsika. Nanontany ilay vehivavy hoe: “Misy zavatra hafa koa ve ataonareo?” Nasehon’ilay anabavy azy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? Nanaraka tsara an’ilay video ilay vehivavy, dia avy eo niteny hoe: “Hoatran’ny mahafinaritra be ny fivorianareo. Mba te hanatrika koa aho!” Nanao dia naharitra adiny roa latsaka kely izy ny herinandro manaraka mba hanatrehana fivoriana.

Faly isika hoe miezaka be ireo rahalahy sy anabavintsika any Bangkok mba hanampy ny olona hahatsapa “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona.”​—Filipianina 4:7.