Hijery ny anatiny

Mpiasa an-tsitrapo tamin’ilay fanavaozana ny Betelan’i Tailandy. Ambony ankavanana: Mpiasa an-tsitrapo nandray anjara tamin’ilay fanavaozana fa lasa manompo ao amin’ny Betelan’i Tailandy izao. Ambany ankavanana: Mpiasa an-tsitrapo (eo afovoany) manatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana

28 JONA 2023
TAILANDY

Najanona Kely ny Fanavaozana ny Betelan’i Tailandy Nefa Tsy Nampoizina ny Vokany

Najanona Kely ny Fanavaozana ny Betelan’i Tailandy Nefa Tsy Nampoizina ny Vokany

Nisy zavatra naorina sy nohavaozina tany amin’ny biraon’ny sampan’i Tailandy nanomboka tamin’ny 2019. Mpiasa an-tsitrapo teo an-toerana sy iraisam-pirenena no nampiasaina tamin’izany. Rehefa nirongatra anefa ny COVID-19, dia nody daholo ny ankamaroan’ny mpanao fanorenana iraisam-pirenena. Valo sisa no nijanona tamin’ireo 50 notendrena hanao an’ilay tetikasa. Natomboka indray anefa ilay asa rehefa tapitra ny fihibohana. Nampitomboina koa ny isan’ny mpiasa an-tsitrapo. Nampiofanina ry zareo mba ho afaka hanampy hamita an’ilay asa, dia vita ilay izy tamin’ny 30 Aprily 2023.

Anisan’ireo mpiasa an-tsitrapo teo an-toerana nandray anjara tamin’ilay tetikasa ny Rahalahy Setthasat Tawansirikul sy Waraporn vadiny. Natahotra be ry zareo tamin’ny voalohany satria tsy ampy traikefa. Izao anefa no tenin’i Setthasat tatỳ aoriana: “Vao tonga tany izahay, dia tena nampiofanina tsara.”

Faly be daholo izay mpiasa an-tsitrapo nandray anjara tamin’ilay tetikasa sady tena afa-po, dia be dia be no lasa te hanao karazana fanompoana manontolo andro hafa. Ny sasany izao lasa mandray anjara amin’ny asa fanorenana hafa any Tailandy ihany. Ny anabavy iray indray manatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Misy koa lasa manompo ao amin’ny Betela, anisan’izany ny Rahalahy Rapeepat Woradetsakul. Hoy izy: “Nanaiky aho rehefa nantsoina hiasa ao amin’ny Betela satria efa nahatsapa hoe nampian’i Jehovah nandritra an’ilay tetikasa. Matoky aho hoe hampiany amin’ity asako vaovao ity.”

Ilay Betela nohavaozina any Tailandy. Farany ambony ankavanana: Birao nohavaozina. Afovoany ankavanana: Trano fikojakojana sy fitehirizana entana. Ambany ankavanana: Parking vaovao

Ireto avy no tafiditra tamin’ilay asa fanorenana sy fanavaozana ny Betelan’i Tailandy: Nasiana trano vaovao hanaovana fikojakojana sy hitehirizana entana, nohavaozina ny trano fonenana, dia nampitomboina ny isan’ny parking. Nisy trano enina novidina koa teo akaiky teo, dia nohavaozina koa ireo mba hipetrahan’ny fianakavian’ny Betela.

Faly isika hoe nanolo-tena an-tsitrapo ny rahalahy sy anabavintsika any Tailandy, dia lasa nahita hoe marina ilay resahin’ny Salamo 34:8 hoe: “Andramo dia ho hitanao fa tsara i Jehovah.”