Hijery ny anatiny

24 FEBROARY 2020
TAILANDY

Ezaka Manokana Tany Tailandy: An’arivony ny Olona Nitoriana

Ezaka Manokana Tany Tailandy: An’arivony ny Olona Nitoriana

Nisy ezaka manokana natao tany Tailandy tamin’ny 1 Desambra 2019 ka hatramin’ny 31 Janoary 2020. Rahalahy sy anabavy avy amin’ny fiangonana sy antoko-mpitory miteny tailandey any amin’ny firenena 11 samihafa no nankany Tailandy mba handray anjara amin’izany. Natao ilay ezaka manokana mba hanampiana an’ireo mpitory 4 800 eo ho eo miteny tailandey mba hitory amin’ireo Tailandey any Bangkok renivohitra sy ny manodidina. Mpitory 600 mahery no nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana ka nitory nandritra ny 34 625 ora, nametraka boky 32 718, nampiseho video im-6 637, ary nanomboka fampianarana Baiboly 310.

Iny no ezaka manokana fanindroany natao tany Tailandy tato anatin’ny roa taona. Tamin’ny Desambra 2018 ka hatramin’ny Janoary 2019 ny voalohany. Hoy ny Rahalahy Plakorn Pestanyee, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Tailandy, taorian’ilay ezaka manokana voalohany: “Nihoatra lavitra noho izay noeritreretinay ny isan’ny fampianarana Baiboly natomboka sy ny fampaherezana azon’ny fiangonana teto aminay.” Tena nahomby ilay ezaka manokana voalohany ka nandamina ezaka manokana fanindroany indray ny sampana.

Nampihemotra ny fotoana hodiany ny sasany tamin’ireo mpitory avy any ivelany satria mbola te hanampy olona hahafantatra an’i Jehovah. Saika hijanona iray volana tany Tailandy, ohatra, ny mpivady koreanina iray. Tapa-kevitra ny hijanona tapa-bolana fanampiny anefa izy mivady rehefa nahita olona liana be dia be. Niala tamin’ny asany koa ny anabavy iray avy any Korea mba hahafahany handray anjara amin’ilay ezaka manokana. Nanapa-kevitra ny hifindra tanteraka any Tailandy anefa izy avy eo.

Nisy vokany tsara ny ezaka nataon’ny mpitory. Nitory tamin’ny ramatoa iray tao am-piasany, ohatra, ny anabavy iray sy ny zanany vavy. Nomen’izy mianaka an’ilay Mifohaza! No. 2, 2019 hoe “Zavatra Enina Mila Ampianarina ny Ankizy” ilay ramatoa. Rehefa niverina nitsidika azy izy mianaka, dia faly be izy niarahaba azy ireo sady nanofahofa an’ilay Mifohaza! Hoy izy: “Tsara be mihitsy ity! Izaho mba ampianaro misimisy kokoa.” Nifanao fotoana izy ireo mba hianatra indray mandeha isan-kerinandro rehefa fiatoana amin’ny antoandro. Nampian’izy mianaka haka an’ilay programa JW Library koa izy. Mianatra indroa isan-kerinandro izy izao ary tiany ny mijery kisarisary sy video hafa miaraka amin’ny zanany.

Gaga be ny vehivavy iray nahita hoe sariaka sy manao akanjo maotina tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Nohazavainy tamin’ny mpitory iray hoe efa nitety fivavahana izy satria te hana-namana, nefa tsy nisy vokany izany. Nasain’ilay mpitory hanatrika fivoriana natao tamin’iny andro iny izy. Tonga tokoa izy ary faly be satria nahalala rahalahy sy anabavy avy amin’ny kolontsaina sy fari-piainana samihafa. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao! izy ary mbola te hivory foana.

Nihaona tamin’ny vehivavy iray 50 taona eo ho eo ny anabavy iray, tany Bang Na, any Bangkok. Nilaza ilay vehivavy hoe niangona ihany izy taloha saingy tsy manana Baiboly. Nampian’ilay anabavy haka JW Library àry izy dia nampidirana Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ilay izy. Rehefa niverina tany aminy ny mpitory, dia noresahin’ilay vehivavy hoe efa mamaky Baiboly ao amin’ilay programa izy. Nasehon’ny mpitory azy ny fanontaniana amin’ny fonon’ny bokikely Vaovao Tsara ary novakin’izy ireo taminy. Nilaza ilay vehivavy hoe tiany ho fantatra daholo ny valin’ireo fanontaniana ireo. Natomboka ny fianarana Baiboly, ary anabavy iray any izao no manohy mampianatra azy. Nilaza izy hoe tena tiany be ilay mianatra satria izao izy vao mba afaka mikaroka sy mianatra samirery momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly.

Nahita mpivady ny anabavy iray rehefa nitory isan-trano. Tailandey ilay lehilahy ary Laosianina ilay vehivavy. Nanontanian’ilay mpitory izy mivady hoe inona no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Namaly izy ireo hoe: “Ny fianakaviana.” Noresahin’ilay anabavy avy eo ny fanazavana momba ny fianakaviana, ao amin’ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao! Niaiky ilay mpivady hoe tena azo ampiharina ilay izy ary nanaiky hianatra Baiboly izy ireo. Tonga nivory izy mivady, tsy ela taorian’izay. Nilaza izy ireo hoe tena tiany ny mivory satria tsara fanahy sy sariaka daholo ny olona ary ho avy foana izy ireo.

Hita amin’izany sy amin’ny fitantarana maro hafa tamin’iny ezaka manokana tany Tailandy iny hoe “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo” ny vahoakan’i Jehovah, amin’izao andro farany izao.—1 Korintianina 15:58.