Hijery ny anatiny

5 JOLAY 2019
TAÏWAN

Navoaka Amin’ny Fiteny Sinoa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Navoaka Amin’ny Fiteny Sinoa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Taoyuan City, any Taïwan, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny fiteny sinoa, tamin’ny 5 Jolay 2019. Natao tao amin’ny Kianja National Taiwan Sport University ilay izy, ary ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no namoaka azy. Nisy 12610 no nanatrika an’io fotoana miavaka io, anisan’izany ireo nanaraka mivantana avy tany amin’ny toerana efatra nanaovana fivoriambe.

Tamin’ny 1995 no navoaka voalohany Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny fiteny sinoa. Nisy karazany roa ilay izy tamin’izay, ka ny iray tamin’ny soratra nentim-paharazana fampiasa any Hong-Kong sy Taïwan, ary ny iray tamin’ny soratra notsorina fampiasa any Chine sy Malezia ary Singapour. Tamin’ny 2001 no navoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo tamin’ny fiteny sinoa, ary tamin’ny soratra nentim-paharazana sy notsorina ihany izy ireo. Tamin’ny 2004 kosa no navoaka ilay karazany fahatelo. Soratra sinoa notsorina ilay izy, miaraka amin’ny Pinyin, izany hoe nadika ho soratra romanina ny teny tsirairay.

Navoaka tamin’ireo karazany telo ireo koa ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina. Natao pirinty sy amin’ny endrika elektronika ilay amin’ny soratra sinoa nentim-paharazana sy notsorina. Azo jerena ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah kosa ilay miaraka amin’ny soratra Pinyin.

Olona 1100 tapitrisa mahery no mampiasa ny teny sinoa mandarin. Io no fiteny be mpampiasa indrindra eran-tany. Olona an-tapitrisany mampiasa fitenim-paritra sinoa koa no mamaky soratra sinoa. Afaka mampiasa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina izao ny rahalahy sy anabavintsika mitory amin’izany olona be dia be izany mba hanampiana azy ireo hahalala tsara an’i Jehovah sy ny Teniny.—1 Timoty 2:4.