Hijery ny anatiny

9 FEBROARY 2018
TAÏWAN

Horohoron-tany any Taïwan

Horohoron-tany any Taïwan

Nisy horohoron-tany mirefy 6,4 amin’ny mari-drefy Richter namely ny teny akaikin’ny morontsiraka atsinanan’i Taïwan, ny alin’ny talata 6 Febroary. Milaza ny vaovao fa olona 6, fara fahakeliny, no maty, 250 mahery no naratra, ary 76 no mbola tsy hita popòka.

Tsy nisy mpitory maty na naratra tamin’ilay horohoron-tany. Simba kosa ilay trano any Hualien izay misy ny Efitrano Fanjakana sy ny biraon’ny fandikan-teny mitokana mandika ho amin’ny fiteny amis (fiteny any Taïwan). Anisan’ny toerana voa mafy indrindra ny any Hualien. Simba be koa ny trano iray ipetrahan’ny mpandika teny sasany ka tsy maintsy niala tao izy ireo. Nikarakara filasiana vonjimaika ho an’ireo tra-boina avy hatrany ny rahalahy teo an-toerana, ary manome ny zavatra hafa ilain’izy ireo ny biraon’ny sampan’i Taïwan.

Mivavaka isika mba hilamin-tsaina ny rahalahy sy anabavy any na dia mafy aza ny mahazo azy ireo. “Toy ny fierena amin’ny rivotra” koa ireo rahalahy mikarakara azy ireo ary mivavaka ho an’ireo rahalahy ireo isika.—Isaia 32:2.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Taïwan: Chen Yongdian, +886-3-477-7999