21 MARTSA 2023
TOGO
Nivoaka Tamin’ny Teny Kabiye ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Nivoaka tamin’ny 12 Martsa 2023 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kabiye, dia ny Rahalahy Wilfrid Sohinto, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Bénin, no namoaka azy. Natao nandritra ny fivoriana manokana iray tany Kara, any Togo, ilay fampandrenesana ary olona 2 959 mahery no nanatrika an’ilay izy. a Tonga dia nisy Baiboly nozaraina taorian’ilay fampandrenesana, ary efa azo nalaina koa ny Baiboly amin’ny endriny elektronika.
Any amin’ny faritra avaratr’i Togo no tena betsaka olona miteny kabiye. Mampiasa an’io fiteny io koa anefa ny olona any Bénin sy Ghana, izay tsy lavitra eo. Fitenin-drazan’ny olona iray tapitrisa eo ho eo izy io.
Misy Baiboly hafa koa amin’ny teny kabiye, saingy Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no voalohany ahitana ny anaran’Andriamanitra any amin’ny andinin-teny rehetra tokony hisy azy. Misy Baiboly anankiray amin’ny fiteny kabiye ahitana ny anaran’Andriamanitra, fa ao amin’ny Eksodosy 3:15 ihany.
Izao no nolazain’ny mpandika teny iray momba an’ilay Baiboly vao nivoaka: “Miharihary hoe i Jehovah no nanampy ny mpandika teny mba hahafahanay hahazo an’io Baiboly io. Hanampy anay izy io rehefa manompo izahay, fa hahafinaritra be koa izao ny hampiasa azy io mandritra ny fivorian’ny fiangonana.”
Miara-paly amin’ireo rahalahy sy anabavy miteny kabiye isika noho ry zareo nahazo an’io fanomezana sarobidy io, izay hanampy an-dry zareo ‘hidera ny anaran’i Jehovah.’—Salamo 135:1.
a Ny Komitin’ny Sampan’i Bénin no mandamina ny asa fitoriana any Togo.