2 DESAMBRA 2019
TOGO
Tondra-drano Be any Togo
Be dia be mihitsy ny rotsakorana tany Togo nandritra ny fahavaratra tamin’ity taona 2019 ity. Tratran’ny tondra-drano àry ny faritra sasany any Lomé. Mpitory 257 ao amin’ny fiangonana fito no tra-boina. Efa eo am-panampiana azy ireo izao ny sampana.
Tafakatra iray metatra ny haavon’ny rano tafiditra any an-trano, any amin’ny faritra sasany, ka rahalahy sy anabavy 51 no tsy maintsy nandao ny tranony. Nampiantrano azy ireo ny mpiara-manompo teo amin’ny manodidina.
Maloto ny rano fisotro any amin’ny faritra sasany vokatr’ilay tondra-drano. Mandamina ny fizarana fanampiana ho an’ny tra-boina ny Komitin’ny Sampan’i Bénin, izay miandraikitra ny asa any Togo, ka miara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy izy ireo rehefa manao an’izany. Anisan’ny nozaraina tamin’ireo tra-boina ny fanadiovana rano sy ny fanadiovana zavatra hafa.
Tena mahafoy tena sy mifankatia ny rahalahy sy anabavy any Togo. Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah foana izy ireo.—Jaona 13:34, 35.