Hijery ny anatiny

Nisy volkano nipoaka tany ambany rano any akaikin’i Tonga, ka lasa feno lavenona ilay nosy. Nisy tsunami nandravarava koa tany

26 JANOARY 2022
TONGA

Volkano Nipoaka sy Tsunami Nandravarava An’i Tonga

Volkano Nipoaka sy Tsunami Nandravarava An’i Tonga

Nisy tsunami nandravarava tany amin’ny Nosy Tonga, tamin’ny 15 Janoary 2022, vokatry ny volkano nipoaka tany ambany rano, tao amin’ny Oseana Pasifika. Tonga hatrany Amerika Atsimo sy Japon ny vokatr’ilay volkano nipoaka. Tena nanimba zavatra be eran’ny Tonga ny lavenona niparitaka sy ny tondra-drano. Lasa tapatapaka be koa ny fifandraisana sy ny fampitana vaovao.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy naratra ny rahalahy sy anabavintsika

Fanampiana tra-boina

  • Natsangana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky

  • Nisy rahalahy maromaro nanampy nanala lavenona teny amin’ny tafon’ny tra-boina. Mifandray amin’ny fanangonan-dry zareo rano hosotroina mantsy ilay tafo nefa feno lavenona

  • Nanaraka tsara ny toromarika fiarovana amin’ny COVID-19 daholo ny rahalahy rehetra nanampy ny tra-boina

Tonga dia niverina nanao zavatra ara-panahy hoatran’ny fanaony ny mpiara-manompo, ary mivory tsy tapaka. Tena “mpanampy sy mpampionona” an’ireny rahalahy sy anabavintsika tratran’ny loza ireny tokoa i Jehovah.​—Salamo 86:17.