Hijery ny anatiny

11 JONA 2014
TORKIA

Manome Rariny An’ireo Tsy Mety Manao Miaramila any Torkia ny Fitsarana Eoropeanina

Manome Rariny An’ireo Tsy Mety Manao Miaramila any Torkia ny Fitsarana Eoropeanina

Niara-nanaiky ny tao amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 3 Jona 2014, fa nanitsakitsaka ny Fifanarahana Eoropeanina a i Torkia. Nomelohin’i Torkia mantsy ny efatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Tsy nety nanao miaramila i Çağlar Buldu, i Bariş Görmez, i Ersin Ölgün, ary Nevzat Umdu satria tsy te hivadika amin’ny zavatra inoany. Nilaza ny Fitsarana Eoropeanina fa ‘zavatra tsy ilaina eo anivon’ny fiaraha-monina mandala ny demokrasia ireo fepetra noraisina momba an’ireo tsy mety manao miaramila, araka ny hevitry ny Andininy faha-9 amin’ilay Fifanarahana.’

Notorin’ireo Vavolombelona efatra (Buldu sy ny Hafa Miady Amin’i Torkia) ny fitondrana tiorka tamin’ny 17 Martsa 2008. Nilaza izy ireo fa tsy nanaja ny fahalalahany ara-pivavahana i Torkia, satria niampanga sy nanameloka azy ireo noho izy ireo tsy nety nanao miaramila. Raha atambatra, dia voantso hanao miaramila in-30 mahery sy nigadra enin-taona mahery tany am-ponja sy tany amin’ny toby miaramila izy ireo.

Izao ny didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina: ‘Azo antoka fa mampihatra ny zavatra inoany ireo Vavolombelon’i Jehovah nametraka fitoriana matoa mandà tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Manana zo hanaraka ny fivavahany izy ireo, araka ny Andininy faha-9 amin’ilay Fifanarahana. Miaiky àry ny Fitsarana fa voasakantsakana ny fampiharan’izy ireo an’izany zo izany rehefa nomelohina imbetsaka izy ireo, sady mety hampangaina foana ho mpanao heloka bevava.’

Çağlar Buldu

Io no didim-pitsarana fahatelo manameloka an’i Torkia momba ny fandavana tsy hanao miaramila, taorian’ny didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina izay nanome rariny an’i Feti Demirtaş tamin’ny 2012, sy Yunus Erçep tamin’ny 2011. Ankoatra izany, dia namoaka didy nanome rariny an’i Cenk Atasoy sy Arda Sarkut, Vavolombelona roa hafa any Torkia, ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, tamin’ny 2012. Tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany koa izy ireo.

Nisy fiovana lehibe tany Eoropa tamin’ny 7 Jolay 2011, rehefa namoaka ny didim-pitsarany momba ny raharaha Bayatyan Miady Amin’i Armenia ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina. Tamin’io vao hitan’ny Fitsarana Eoropeanina fa miaro an’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny Andininy faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina. Tsy maintsy ankatoavin’ny firenena rehetra mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina io didy io. Voatery mandinika indray ny fomba itondrany an’ireo tsy mety manao miaramila i Torkia sy ireo firenena hafa mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina, noho ilay didim-pitsarana Bayatyan, sy ireo didim-pitsarana telo navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina manameloka an’i Torkia, ary ireo didim-pitsarana hafa mitovy amin’ireny. Tsy maintsy manitsy ny lalàny koa izy ireo mba hifanaraka amin’izay takin’ilay Fifanarahana.

Hoy i James Andrik, iray amin’ny mpisolovavan’ireo Vavolombelona efatra: “Marina fa tsy misy Vavolombelona migadra noho izy tsy mety manao miaramila izao atỳ Torkia. Mbola ampangain’ny fitondrana foana anefa ireo tovolahy Vavolombelona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Manantena izahay fa hanaja ny zo hanaraka ny feon’ny fieritreretana ny fitondrana tiorka, noho ilay didim-pitsarana vao haingana momba an’ilay raharaha Buldu sy ny Hafa Miady Amin’i Torkia.”

a Andininy faha-3: Fandrarana ny fampijaliana sy ny fanaovana habibiana ary ny fanambaniana. Andininy faha-6: Zo hotsaraina ara-drariny. Andininy faha-9: Zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana.