Hijery ny anatiny

11 MARTSA 2013
TORKIA

Milaza ny ONU fa Tokony Hanaja ny Safidin’ny Olom-pireneny i Torkia

Milaza ny ONU fa Tokony Hanaja ny Safidin’ny Olom-pireneny i Torkia

Kristianina an-tapitrisany no tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, ary firenena maro no manaja an’izany. Tokony havelan’i Torkia hisafidy malalaka ny amin’izany koa ny olom-pireneny, araka ny didy navoakan’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona.

Namoaka didy io komity io tamin’ny 29 Martsa 2012, ary nanome rariny an’i Cenk Atasoy sy Arda Sarkut, Vavolombelon’i Jehovah tiorka. Samy nanda tsy hanao miaramila izy roa lahy ireo noho ny zavatra inoany ara-pivavahana.

Efa imbetsaka Atoa Atasoy sy Atoa Sarkut no nangataka tany amin’ny biraom-panjakana mba hanazava ny fanapahan-keviny mifandray amin’ny zavatra tsy eken’ny eritreriny. Nandroso hevitra koa izy ireo hoe afaka manao fanompoana sivily hafa. Noterena hanao miaramila foana anefa izy ireo. Norahonan’ny miaramila ilay oniversite niasan’Atoa Sarkut hoe hotoriny satria manao heloka bevava. Voaroaka tsy ho mpampianatra tao intsony àry izy.

Nilaza ilay komity, rehefa namoaka an’ilay didy, fa efa tafiditra amin’ny zo resahin’ny Andininy Faha-18 amin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika ny zo handa tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Voalazan’io andininy io mantsy fa manan-jo hihevitra an’izay tiany sy hanana feon’ny fieritreretana ary hifidy ny fivavahany ny olona. Nilaza koa io komity io hoe noho izany zo izany, dia “tsy azo terena hanao miaramila ny olona raha tsy mifanaraka amin’ny fivavahany sy ny zavatra inoany izany.”

Navoaka io didy io, taorian’ny fanapahan-kevitra roa noraisin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Iray amin’izany ny hoe “tsy mifanaraka amin’ny zo handa tsy hanao zavatra iray noho ny feon’ny fieritreretana ilay hoe tsy misy zavatra hafa azo asolo ny fanaovana raharaha miaramila any Torkia.” Efa nekena tamin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona anefa izany zo izany.

Efa hatramin’izay ny Kristianina no tsy nety nanao miaramila. Hoy i E. Barnes, ao amin’ilay bokiny hoe The Rise of Christianity: ‘Hita tamin’ny fanazavana rehetra nisy fa hatramin’ny andron’i Marc Aurèle [mpanjaka romanina tamin’ny taona 161 ka hatramin’ny 180], dia tsy nisy tamin’ny Kristianina nanao miaramila ary tsy nisy miaramila mbola nijanona ho miaramila, rehefa lasa Kristianina.’