Hijery ny anatiny

17 MARTSA 2014
TORKIA

Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretana: Tsy Arahin’i Torkia ny Fitsipik’i Eoropa

Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretana: Tsy Arahin’i Torkia ny Fitsipik’i Eoropa

“Nateraka ho miaramila ny Tiorka rehetra.” Izany no ampianarina ny mpianatra, sy lazain’ny mpanao politika mikabary, ary alentika ao an-tsain’ny lehilahy voantso hanao miaramila. Tsy maintsy manao miaramila ny lehilahy tiorka rehetra, ary anaovana fety be mihitsy izay voantso amin’izany. Tsy mahagaga àry raha tsy eken’ny fanjakana tiorka ilay zo handa tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.

Tsy eken’i Torkia hoe manan-jo tsy hanao miaramila ny olona noho ny feon’ny fieritreretany. Misy vitsivitsy ny firenena toy izany, ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina

Mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina i Torkia, sady nampiditra ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ho anisan’ny lalàn’ny fireneny. Nanaiky hanaraka ny fitsipik’i Eoropa àry izy. Hatramin’ny nivoahan’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona tamin’ilay raharaha Bayatyan miady amin’i Armenia iny, dia manana adidy eo anatrehan’ny Filan-kevitra Eoropeanina i Torkia hanaiky ny zon’ny olona tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Tsy manaiky an’izany anefa i Torkia ka mijaly ireo tsy mety manao miaramila.

Lehilahy Vavolombelon’i Jehovah 55 no nangataka tamin’ny fitondrana tiorka, mba hanaiky ny zon’izy ireo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, tato anatin’ny folo taona. Nolavina anefa ny fangatahan’izy ireo, ka niakatra fitsarana imbetsaka izy ireo, nampandoavina lamandy mihoa-pampana, ary nisy aza nogadraina aman-taonany. Tovolahy Vavolombelona 15 any Torkia izao no miakatra fitsarana foana satria tsy mety manao miaramila.

‘Tsy maintsy manaraka ny feon’ny fieritreretako aho’

Lehilahy tiorka i Feti Demirtaş. Naleony nigadra, tamin’izy 25 taona, toy izay hanao miaramila. Hoy izy, rehefa nanazava ny anton’izany: “Tsy mino aho hoe misy fanjakana matanjaka mahavita manery ahy hanao zavatra mifanohitra amin’ny feon’ny fieritreretako voaofan’ny Baiboly sy ilay tenin’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 2:4, [izay] inoako hoe tsy maintsy ankatoaviko.” Voasokitra eo amin’ny vato eo anoloan’ny foiben’ny Firenena Mikambana any New York io andinin-teny malaza io. Voalaza ao fa ‘hanefy ny sabany ho angadinomby sy tsy hianatra ady intsony’ ny olona tsy tia ady. Vavolombelon’i Jehovah i Feti, ary tena tapa-kevitra ny hanaraka ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly. Niakatra fitsarana impolo àry izy, ary efa nigadra herintaona sy tapany mahery raha atambatra.

Nasain’ny serizà iray nanao fanamiana miaramila i Feti, tamin’izy nosamborina voalohany. Tsy nety anefa izy fa naleony nanaraka ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly. Nentin’ny komandàn’ny toby teo anatrehan’ny lehilahy 400 izy avy eo ary nasainy nanao an’ilay fanamiana. Mbola nanda ihany izy. Nompan’ny mpiambina fonja izy, tamin’io izy nigadra voalohany io, nasian’izy ireo tehamaina, ary nokapohin’izy ireo teo amin’ny lohany sy ny sorony ary ny tongony.

Nosamborina sy nogadraina fanindiminy izy tamin’ny Aprily 2006. Nasain’ny mpiambina nesoriny ny akanjony ivelany rehetra mba hampidirany an’ilay fanamiana. Mbola tsy nety ihany izy ka nalefan’izy ireo tany amin’ny toerana famaizana nandritra ny efatra andro. Tian’izy ireo hanaiky lembenana izy, ka nofatorany tamin’ny rojo vy teo am-pandrianany rehefa alina, ary teo amin’ny bara vy rehefa antoandro. Hoy i Feti: “Nihorohoro aho tontolon’ny andro ary tsy nahita tory rehefa alina, satria tena natahotra hoe inona indray ny fampijaliana ahy manaraka. Tapa-kevitra ny hanaraka ny feon’ny fieritreretako foana anefa aho, na dia nahakivy ahy aza ny fampijaliana natao tamiko.”

Mandinika an’ilay raharaha ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Nalefan’i Feti Demirtaş tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ilay raharaha momba azy, tamin’ny 2007. Nilaza izy fa nanitsakitsaka ny zony ny fitondrana tiorka rehefa nanagadra azy noho izy tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nanome rariny azy ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 17 Janoary 2012, ka nilaza fa habibiana sy fanambaniana no natao taminy ary nahatonga azy hijaly sy hanaintaina be izany. Nilaza koa ilay Fitsarana fa anisan’ny zo arovan’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, miorina amin’ny zavatra inoana ara-pivavahana. a

Taorian’io fanambarana mazava nataon’ilay Fitsarana io, dia nanantena i Feti fa tsy hiampanga azy any amin’ny fitsarana intsony ny manam-pahefana tiorka. Nandoa onitra 20000 euros taminy tokoa ny fanjakana tiorka, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina. Efa-bolana monja taorian’ilay didim-pitsaran’ny Fitsarana Eoropeanina momba an’i Feti Demirtaş miady amin’i Torkia anefa, dia nomelohin’ny Tribonalin’ny Miaramila any Torkia higadra roa volana sy tapany indray izy satria tsy mety manao miaramila. Nampakatra fitsarana any amin’ny Tribonalin’ny Miaramila i Feti, ary mbola andrasana ny valiny.

Manohana ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana koa ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona

Tsy noraharahain’i Torkia koa ny toromarika vao haingana avy amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona. Tamin’ny 2008, dia nandefa fitarainana tany amin’io komity io i Cenk Atasoy sy Arda Sarkut, izay samy Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza izy ireo fa nanitsakitsaka ny zony ny manam-pahefana tiorka satria niampanga azy ireo imbetsaka tany amin’ny fitsarana noho izy ireo tsy mety manao miaramila. Nilaza ilay komity tamin’ny 29 Martsa 2012 fa ‘ny zavatra inoany ara-pivavahana no mahatonga azy mirahalahy tsy hanaiky hanao miaramila, ary ny fitsarana sy fanamelohana azy ireo noho izany antony izany, dia fanitsakitsahana ny zony hanana feon’ny fieritreretana. Tsy mifanaraka amin’ny fehintsoratra voalohany ao amin’ny andininy faha-18 amin’ny [Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika] izany.’

Nanao ahoana ny fihetsiky ny manam-pahefana tiorka nanoloana an’izany toromarika mazava izany? Mbola manantena foana izy ireo hoe ho tonga izy mirahalahy rehefa mahazo fiantsoana hanao miaramila isaky ny efa-bolana, b fa raha tsy izany dia miakatra fitsarana sy hampandoavina lamandy mihoa-pampana.

Tapa-kevitra ny hanaraka ny didin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any Torkia, ka tia ny mpiara-belona aminy. Ny Vavolombelona tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra hoe inona no fanazavana homeny, rehefa miantso azy ireo hanao miaramila ny manam-pahefana tiorka. Tapa-kevitra ny tsy hampiasa fitaovam-piadiana i Feti Demirtaş sy ny Vavolombelona hafa satria mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly sy ny feon’ny fieritreretany izany.

Manantena ireo tovolahy ireo hoe hanatanteraka ny fifanekena ara-dalàna nataony ny fitondrana any amin’izy ireo. Manantena koa ny Fitsarana Eoropeanina sy ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona fa hanaraka ny didim-pitsarana sy ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo i Torkia, ka hanaiky ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Hatramin’izao anefa, dia mbola tsy manaja an’io zo fototra io i Torkia na dia anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina aza.

a Tsy io ny didy voalohany nanameloka an’i Torkia navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina, momba an’io resaka io. Namoaka didy nanome rariny an’i Yunus Erçep, Vavolombelona tiorka iray hafa, io Fitsarana io, tamin’ny Novambra 2011. Niakatra fitsarana in-41 izy nandritra ny 14 taona, satria tsy nety niditra tao amin’ny tafika tiorka.

b Vao novan’ny fitondrana ho isan-telo volana ilay fiantsoana hanao miaramila.