Hijery ny anatiny

Rahalahy Myrat Orazgeldiyev

7 SEPTAMBRA 2020
TURKMÉNISTAN

Gadrain’ny Fitsarana Iray any Turkménistan ny Rahalahy Myrat Orazgeldiyev Noho Izy Tsy Mety Manao Miaramila Satria Tsy Eken’ny Feon’ny Fieritreretany Izany

Gadrain’ny Fitsarana Iray any Turkménistan ny Rahalahy Myrat Orazgeldiyev Noho Izy Tsy Mety Manao Miaramila Satria Tsy Eken’ny Feon’ny Fieritreretany Izany

Didim-pitsarana

Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Vekil-bazar, any Mary, tamin’ny 3 Septambra 2020, hoe voaheloka higadra herintaona ny Rahalahy Myrat Orazgeldiyev, satria tsy mety manao miaramila. Tsy eken’ny feon’ny fieritreretany mantsy izany. Nangataka ny hampakarana an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa izy.

Ilay Voampanga

Myrat Orazgeldiyev

  • Taona nahaterahana: 2002 (tany Mary)

  • Mombamomba azy: Mpandroso sakafo tany amin’ny hotely. Ny mamany no nampianatra azy momba an’i Jehovah. Tia manao spaoro sy mamoron-kira.

Mombamomba an’ilay raharaha

Voantso tany amin’ny birao miandraikitra ny fiantsoana hanao miaramila ny Rahalahy Orazgeldiyev tamin’ny Jona 2020. Vao iray volana izy tamin’izay no feno 18 taona. Nohazavainy hoe fa maninona izy no tsy afaka manao miaramila, ary nilaza izy fa vonona hanao fanompoana sivily ho solon’izany.

Nisy solontenan’ny miaramila anankitelo tonga tany an-tranony, tamin’ny 1 Jolay 2020, ary saika haka azy, fa tsy nety nandeha niaraka tamin-dry zareo izy. Ny androtr’iny ihany, dia nojeren’ny dokotera ny toe-pahasalamany, ka hita hoe salama tsara izy ary afaka manao miaramila.

Voantso tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna ny Rahalahy Orazgeldiyev, tamin’ny 14 Jolay 2020, mba hatao famotorana. Voampanga hoe nanao heloka bevava izy, ny volana nanaraka, ary niandry ny fotoana hitsarana azy.

Mivavaka isika sady matoky hoe homen’i Jehovah hery sy herim-po foana ny Rahalahy Orazgeldiyev sy ireo rahalahy tanora folo hafa mbola any am-ponja.—Salamo 31:24.