Hijery ny anatiny

13 JANOARY 2021
TURKMÉNISTAN

Melohin’ny Fitsarana Miaramila any Turkménistan Higadra Roa Taona ny Rahalahy Ruslan Artykmyradov

Melohin’ny Fitsarana Miaramila any Turkménistan Higadra Roa Taona ny Rahalahy Ruslan Artykmyradov

Nomelohin’ny fitsarana miaramila iray any Turkménistan higadra roa taona ny Rahalahy Ruslan Artykmyradov, tamin’ny 11 Janoary 2021. Fanindroany izy izao no gadraina noho izy tsy mety manao miaramila.

Tsy kivy i Ruslan fa nitsikitsiky taorian’ny nanambarana an’ilay didim-pitsarana. Nanonona ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:13 izy rehefa nentina niala teo amin’ilay fitsarana. Izao no voalaza ao: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”

Mampahery antsika ny finoan’ireo rahalahy tanora any Turkménistan. Vonona hanahaka an’i Jesosy, ilay Modelintsika, izy ireo. Niaritra ny mafy mantsy i Jesosy “noho ilay fifaliana natao teo anoloany.”—Hebreo 12:2.