7 AOGOSITRA 2020
TURKMÉNISTAN
Melohin’ny Fitsarana any Turkménistan Higadra Roa Taona ny Rahalahy Eldor sy Sanjarbek Saburov
Nomelohin’ny fitsarana iray any Turkménistan higadra roa taona ny Rahalahy Eldor sy Sanjarbek Saburov, tamin’ny 6 Aogositra 2020, satria tsy manaiky hanao miaramila noho feon’ny fieritreretany izy ireo. Iraika amby roapolo taona i Eldor ary 25 taona i Sanjarbek. Nolavin’ilay fitsarana ny fangatahan’izy ireo hampiakatra fitsarana ambony kokoa. Fanindroany izao izy mirahalahy no voaheloka satria tsy manaiky hanao miaramila.
Tsy nanaiky hanao miaramila ny Rahalahy Sanjarbek Saburov tamin’ny 2016, ka nomena sazy mihantona roa taona.
Tsy nanaiky hanao miaramila koa i Eldor, zandrin’i Sanjarbek, herintaona taorian’izay. Nosazin’ny fitsarana izy, ka nasaina nanome ny 20 isan-jaton’ny karamany ho an’ny fanjakana nandritra ny roa taona.
Araka ny lalàna any Turkménistan, dia azo ampangaina fanindroany ireo tsy manaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany raha mbola mandà indray. Nasain’ny birao miandraikitra ny fiantsoana ho miaramila hanao miaramila indray izy mirahalahy tamin’ny Aprily 2020. Samy tsy nanaiky anefa izy ireo. Nampangaina ho mpanao heloka bevava àry izy ireo, ka voaheloka higadra.
Tsy vitan’ny hoe malahelo sy miady saina ny ray aman-drenin’izy ireo vokatr’izany, fa mbola ho sahirana ara-bola koa. Marary lamosina ny rain’izy ireo ka tsy afaka miasa firy. Namboly landihazo àry izy mirahalahy mba hanohanana ny fianakaviany. Migadra anefa izao izy ireo, ka tsy afaka manampy ny ray aman-dreniny amin’ny resaka ara-bola intsony. Ny ray aman-drenin’izy ireo indray aza izao no tsy maintsy hikarakara izay ilain’izy ireo any am-ponja.
Tsy afaka manao fanompoana sivily ireo tsy manaiky hanao miaramila any Turkménistan. Voaheloka higadra herintaona ka hatramin’ny efa-taona àry ireo rahalahy tanora tsy manaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Rahalahy tanora folo no migadra any Turkménistan amin’izao fotoana izao, anisan’izany i Eldor sy Sanjarbek.
Fantatsika fa hitahy an’ireo rahalahy tanora any Turkménistan i Jehovah noho izy ireo be herim-po sy tsy mivadika. Enga anie ny tsirairay amin’izy ireo hahatsiaro an’ilay fampanantenan’i Jehovah tamin’i Asa Mpanjaka hoe: “Mahereza ianareo, ary aza miraviravy tanana, fa handray valisoa ianareo amin’izay ataonareo.”—2 Tantara 15:7.