Hijery ny anatiny

Rahalahy Ruslan Artykmyradov

11 JANOARY 2021
TURKMÉNISTAN

Mety Higadra Fanindroany ny Rahalahy Ruslan Artykmyradov Satria Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

Mety Higadra Fanindroany ny Rahalahy Ruslan Artykmyradov Satria Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

Datin’ny didim-pitsarana

Kely sisa a dia hamoaka didy mahakasika ny Rahalahy Ruslan Artykmyradov ny fitsarana miaramila iray any Turkménistan. Mety higadra hatramin’ny roa taona izy satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Efa hatramin’ny 15 Desambra 2020 izy no notanana am-ponja vonjimaika. Efa nigadra indray mandeha izy taloha, noho izy tsy nety nanao miaramila.

Ilay voampanga

Ruslan Artykmyradov

  • Teraka: 2000 (Tanàna kely any Alpan Gengeshlik)

  • Mombamomba azy: Nihalehibe tany ambanivohitra. Niasa tamin’ny fivarotana piesin’aotomobilina. Tia mianatra sy manao baolina

    Nampianarin’ny mamany hiaina mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Tena nampiaiky azy ny nahita ny Vavolombelon’i Jehovah mifankatia sy mifandray be. Natao batisa izy tamin’ny 2015, tamin’izy 15 taona. Tia an’i Jehovah Andriamanitra izy dia tsy manaiky hanao raharaha miaramila

Mombamomba an’ilay raharaha

Nohelohina higadra herintaona ny Rahalahy Ruslan Artykmyradov fa tsy nety nanao raharaha miaramila, tamin’ny 13 Aogositra 2018, tamin’izy 18 taona. Nafahana izy tamin’ny 12 Aogositra 2019, rehefa avy namita ny saziny.

Azo melohina fanindroany ny tovolahy iray raha tsy mety manao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, araka ny lalàna any Turkménistan. Voantso hanao raharaha miaramila indray àry i Ruslan tamin’ny Novambra 2020.

Tsy nety nanao miaramila anefa i Ruslan na dia efa fantany aza hoe mety higadra indray izy. Nosamborina indray izy, tamin’ny 15 Desambra 2020, ary nalefa tany am-ponja dia miandry ny fitsarana azy.

Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah i Ruslan. Hoy izy rehefa nitantara ny zava-nitranga taminy tamin’ny fitsarana azy voalohany: “Tsy natahotra aho na dia fantatro aza hoe ho mafy ny hahazo ahy, ary hampiharana ny tsy rariny aho. Tsy hatakaloko na inona na inona ny fifandraisako amin’i Jehovah sy ny fifaliana azoko manompo azy.”

Tsy mora ny nanjo an’i Ruslan tamin’izy nigadra voalohany. Tena ratsy ny zavatra niainany ary matetika izy no nampijalina. Tsapany anefa hoe nanampy azy foana i Jehovah. Hoy i Ruslan: “Teo foana ny tanan’i Jehovah nanampy ahy, tamin’izaho tany am-ponja. Tena tsapako, ohatra, izany rehefa nisy nikapoka ahy. Narary ilay kapoka voalohany fa ny taorian’izay tsy henoko intsony.” Be fitiavana koa ireo rahalahy sy anabavy teo an-toerana sady nanohana azy. Tsy hoe nampahery azy fotsiny izany fa fitoriana tamin’ny manodidina azy koa.

Matoky i Ruslan fa hanampy azy foana i Jehovah na dia mety higadra indray aza izy. Hoy izy: “Tena mino aho hoe hamaly soa ahy i Jehovah. ... Faly foana ianao rehefa matanjaka ny fanantenanao. Lasa matanjaka sy miaritra indray ianao rehefa faly, ary tsy ho kivy ianao rehefa matanjaka.”

Misaotra an’i Ruslan isika noho ny modely omeny. Misaotra an’ireo tanora hafa be herim-po koa isika satria hita amin’izay ataon’izy ireo hoe hataon’i Jehovah izay hahatonga antsika ho be herim-po sy ho faly foana rehefa miatrika fitsapana. Fantatsika koa hoe hahazo valisoa izy ireo satria tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy.—Hebreo 11:6.

a Matetika no tsy fantatra mialoha ny daty hivoahan’ny didim-pitsarana.